Mois : septembre 2023

Ankazoabo Atsimo : Paikady roa hiadiana amin’ny tazomoka

Paikady roa sosona avy hatrany no hampiharina any amin’ny distrikan’Ankazoabo Atsimo hamongorana ny aretina tazomoka. Anisan’izany ny famendrahana fanafody mamono moka isan-tokantrano tsy ankanavaka. Eo koa ny fizarana fanafody miaro amin’ny tazomoka avy hatrany. Hetsika mahazatra kosa ny fanentanana ny mponina hatory anaty lay misy odimoka na atoandro na alina, […]

Tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo : hiara-hiasa ny Unicef sy ny PAM

Ankoatra ny fizarana sakafo mitondra hery anatin’ny hamehana, hanao tantsoroka sosialy sy hanampy amin’ny fahafahan’ny ankohonana miatrika ny tetikasa vaovao any Atsimo. Atambatra ny asa nosahanin’ny mpisehatra rehetra miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ho an’ny faritra Atsimo Andrefana sy Androy ary Anosy, hifameno ny tohana sy ny asa ka hisy fiantraikany […]

TARATRY ny KANTO

« Café-Histoire ». Johary Ravaloson, nanoratra ny boky « Ratsimilaho, roi des Betsimisaraka” no hitafa amin’ny mpankafy ny “Café-Histoire”, ny sabotsy 23 septambra 2023, eny amin’ny Musée de la Photo­graphie de Madagascar, Anjohy. Ny mahakasika ny boky sy ny manodidina ny voalaza ao anatiny no horesahan’ity mpanoratra ity amin’izany. “Rire de lire”. Tontosa […]

Sary Hosodoko : hiranty any Chine ny haikanton’i Natoa Rasolonjatovo

Tanterahina anio, any Chine, ao amin’ny tanànan’i Beijing, ny fetibe ana habakabak’i Chine sy Afrika amin’ity taona 2023 ity. “Habakabaka ifampizarana, nofinofy sinoa sy afrikanina” no lohahevitra voizina mandritra ity fety lehibe ity. Hetsika haikanto maro no ho hita mandritra izany. Anisan’izany ny fampirantiana ireo hosodokon’ny mpahay kanto maro samihafa […]

« Slam nationale 14 » : feno ny fandaharam-potoana

Anisan’ny hetsika ho hita mandritra ny « Slam nationale 14 » ihany koa ny « Slam à l’U ». Fifaninanana « Slam Poè­sie », natokana ho an’ny mpianatry ny anjerimanontolo, mahafeno fepetra. Ny 14 septambra 2023, eny amin’ny ADMC CRAAM Ankatso, ny atrikasa fiomanana, raha ny 22 septambra 2023, mandritra ny “Slam nationale 14” no hanatanterahana […]