Sarotra, hono, ny manome famaritana ny atao hoe « fandrosoana ». Ho an’ny hafa indray, ny fampiasana ny zava-misy ananana no manome lanja ny « fandrosoana ». Iray amin’ireny ny teny raha ny nambaran’ny Unesco. Sampandraharaha eo anivon’ny Firenena mikambana, miandraikitra ny fanabeazana sy ny kolontsaina ny Unesco. Rehefa nanome ny valim-pikarohana nataony momba […]
Mois : septembre 2023
The preachers : “Vavaka no fanalahidy hamahana olana”
Betsaka ireo loza sy karazam-pahotana misy maneran-tany. Efa maro ny olona tsy te hivavaka intsony ankehitriny. Sahirana ihany koa ny tanora malagasy, indrindra amin’ny fitadiavana asa sy ny fiheverana izay mety hahatafavoaka amin’ny fiainana. Tsy manosika ireo tanora ireo ny teknikam-panabeazana misy eto an-toerana ka mahatonga izany. “Vahaolana ny fanaovana […]
Kaominina Antananarivo Renivohitra : vita ny fanavaozana ny tsenan’ny Coum 67 ha
Vita soa aman-tsara ny fanatsarana ny tsenan’ny Coum etsy 67 ha. Manomboka miverina mivarotra ireo mpivarotra rehetra ao an-toerana. Nasiam-panavaozana sy nohatsaraina tao anatin’ny fotoana fohy ny tsenan’ny Coum 67 ha. Vita an-tsakany sy an-davany ny fotodrafitrasa ankehitriny. Mbola tsy nisy mpitantana ny kaominina nahavita asa goavana toy izao teo […]
FANTINA sy FINTINA
Niray feo indray ireo kandidà miisa 10 manohitra ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana. Namoaka fanambarana momba ny fandraisan’ny praiminisitra Ntsay Christian ny fitantanana ny firenena izy ireo ary nilaza fa “Coup d’Etat Institutionnel” nokajiana manokana, hanodinkodinana ny voka-pifidianana ho an-dRajoelina izany. Nampitondra hafatra avy any am-ponja i […]
Raharaham-pirenena: nivoaka tamin’ny fahanginany ny depiote Rossy
Mivantambatana toy ny mahazatra azy ny depiote Rossy. Tsy mino izy fa olom-boafidy tahaka ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanina, no hanao zavatra mifanohitra amin’ny Lalàmpanorenana. Nohamafisiny fa miombon-kevitra aminy ireo mpifidy vaventy rehetra nifidy sy ireo ben’ny Tanàna rehetra nifanerasera taminy. “Betsaka ny olona niantso ahy manontany ny momba ny […]




