Mois : septembre 2023

COSFA – 40 TAONA : notolorana mari-pankasitrahana ireo atleta nanao lalaon’ny Nosy

Notanterahina, omaly, teny amin’ny kianjan’i Beton­go­lo, ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny Club Omnisports des Forces Armées (Cosfa). Anisan’ireo klioba namoaka atleta maro niaro ny voninahi-pirenena tamin’ny lalaon’ny Nosy izay natao teto amintsika ny 25 aogositra-3 septambra lasa teo ity klioba ity. Araka izany, nanolotra mari-pankasitrahana sy fanohanana ireto Malagasy atleta ireto […]

SOMBIM-BAOVAO

Taorian’ny lalaon’ny Nosy 2023, hisy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja taekwondo amin’ny « Kyrougi », izay hatao any Côte d’Ivoire, ny 11-12 no­vemb­re ho avy izao. Aorian’io, hisy ny fifidianana izay ho filohan’ ny Federasiona malagasin’ity taranja ity, ny taona 2024. Nanomboka ny zoma 8 septambra lasa teo ny Mondial […]

Handball- Can 2023: hifandona amin’i Algérie ny Akio

Hotanterahina anio, any Monastir Tunisie, ny andro farany amin’ny fifanintsanana isam-bondron’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Handball, sokajy juniors, vehivavy. Anisan’ireo lalao andrasan’ny Malagasy rehetra, ny fihaonan’ny Akio de Madagasikara amin’i Algerie. Marihina fa andro fahadimin’ny vondrona “B” ity fihaonan’ny roa tonta ity. Ny ekipam-pirenena malagasy Akio, farany ao […]

Fifidianana filohan’ny FMF : tsy mbola nisy kandidà tonga nanatitra antontan-taratasy

Hatramin’izao, tsy mbola misy mitonona ho kandidà hifaninana ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nambaran’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana fa tsy misy na iray aza tonga nanatitra ny taratasy filatsahany. Raha tsy misy fiovana farany, amin’ny alakamisy 14 septambra amin’ny 6 ora hariva no hifarana ny fandraisana […]