Nambaran’ny kandidà Rajoelina Andry, teny Alarobia, omaly, ny momba ny nanendrena ny Jly Ravalomanana Richard ho loholona, nialoha ny fametraham-pialany tsy ho filoham-pirenena, ny herinandro teo. “Isika mahay sy mahafehy tsara ny stratejia politika”, hoy izy. Notsiahiviny avy eo fa tsy nanova ny praiminisitra ny tenany tao anatin’ny 5 taona. […]
Mois : septembre 2023
Fisotroan-dronono : mila hajaina ny tetiandro fizarana
Nanomboka omaly hatramin’ny faran’ny herinandro ny fitsinjarana ny vola fisotroan-dronono ho an’ireo zokiolona ho an’ity volana septambra ity, araka ny tetiandro navoakan’ny tahirimbolam-panjakana. Ho an’ny eny amin’ny perceptions principales sy ny Trésorerie principale intercommunale (Tpic) ary ny Trésorerie principale eto Analamanga dia ny laharana miafara amin’ny 0, 1, 2 no […]
Filohan’ny HCC : “Tsy azo terena ny filohan’ny Antenimierandoholona”
Nitondra ny heviny mikasika ny tsy nandraisan’ny filohan’ny Antenimierandoholona ny fitantanana ny firenena ny filohan’ny HCC, omaly. Tsy azo terena izy, araka ny nambarany. “Sanatria tsy manambany olona: raha ny mpiasa ao an-trano aza no milaza hoe tsy hanao intsony, tsy azo terena. Indrindra ny olona omen’ny Lalàmpanorenana andraikitra makadiry […]
INDRAY MIJERY
Tanterahina any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana ny famatsiana fanafody amin’ny alalan’ny drone, izay teknolojia vaovao ampiasaina eto Madagasikara. Fanampin’izay, hisahana ny fanapariahana ny fanafody entina handrindrana ny fiterahana ihany koa ny drone, araka ny fiaraha-miasa amin’ny tetikasa «Pivot» sy ny UNFPA. Hotanterahina ny 15 ka hatramin’ny 17 septambra izao ny […]
Toby fitaizana ny zaza kambotin’ny polisy : nanolotra fitaovana ny masoivoho amerikanina
Nitondra fanampiana ho an’ny ivontoerana fitaizana zaza kamboty sahanin’ny polisim-pirenena any Ambatolampy ny masoivoho amerikanina, i Claire Pierangelo, omaly. “Nifanandrify tamin’ny faha-22 taona nisian’ilay asa fampihorohoroana niseho tany Etazonia ny fotoana”, hoy ny tomponandraikitry ny fiarovana ao amin’ny masoivoho amerikanina, i Rick Hays. “Ny fanabeazana no tsara indrindra entina mioitra […]




