Mois : septembre 2023

Mpampianatra avy amin’ny ENS : hozaraina, anio, ny fifanarahana arakasa

Araka ny fampanantenan’ny fanjakana, hiroso amin’ny fizarana fifanarahana arakasa ho an’ireo mpampianatra nivoaka teny amin’ny Ecole normale supérieure (ENS) ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Hotanterahina amin’ny fidirana ofisialy, taom-pianarana 2023-2024, anio, izany. Fifanarahana 816 no efa vita sy hozaraina ka any amin’ny Dren Vakinankaratra, ao Antsirabe, no hisantarana izany, anio. Hitohy any […]

Cisco Antananarivo Renivohitra : vitsy ny ray aman-dreny mahaloa manontolo ny latsakemboka Fram

Hatao any amin’ny Cisco Antsirabe, ao amin’ny kianja Velodrome, ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pianarana 2023-2024, miaraka amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, anio. Vita ny herinandro voalohany nisantarana ny taom-pianarana 2023-2024 ho an’ny sekolim-panjakana sy ny sekoly tsy miankina sasany. Mbola mitohy ny fisoratana anarana ho an’ny mpianatra izay mbola tsy […]

Ambatovy: tantsaha miisa 2 100 nahazo fanampiana

Ao anatin’ny fomba fiasan’ny orinasa Ambatovy ny manampy ireo tantsaha entina hampiroborobona ny seha-piahariany. Tantsaha 2 100 ireo efa nahazo fanampiana avy amin’ity orinasa goavana ity eo amin’ny faritra iasa­ny.Tsy latsa-danja amin’izany ireo nahazo tohana tamin’ny fandraisana anjara tamin’ny tsenaben’ny «FIER-Mada 2023 ». Miisa 15 ny fikambanana tantsaha avy ao amin’ny distrikan’i Moramanga sy […]

« Salon de la créati­vité Voatra »: Manandratra ny vokatra vita malagasy

Hetsika ara-barotra, ara-toekarena, ara-pamoronana. Toy ny fanao isan-taona nanomboka ny taona 2013, hotontosaina ny 25 ka hatramin’ny 28 oktobra izao, eny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny hetsika « salon de la créativité Voatra » andiany faha 10. Tanjona ny fanohanana ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME) eto amin’ny faritra Analamanga sy manerana […]