«Mandalo kihon-dalana lehibe ny firenentsika ankehitriny dia ny fiatrehana ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Zava-dehibe ho anay ny hahafantaran’ny vahoaka malagasy hiaro ny vahoaka, indrindra ny safidim-bahoaka», hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, tamin’ny lanona-miaramila fanolorana faneva ireo jeneraly 36, taona 2022, teny amin’ny Vondron-tafika mpilatsaka an’elonaina, Ivato, […]
Mois : septembre 2023
Tohan’ny orinasa Star : nahazo rano fisotro ny fokontany Ankidondona Ambatolampy
Notokanana ny 6 septambra teo ny siniben-drano sy ny paompy miisa enina ho an’ny fokontany Ankidondona II Ambatolampy, toerana ahitana ny ozinina lehibe indrindra an’ny orinasa Star. Nitarika ny fotoana ny tale jeneralin’ny Star, Marc Pozmentier, notronin’ny manam-pahefana maro any an-toerana. Nambaran’ny ben’ny Tanàna Ambatolampy fa 30 taona tsy nanana […]
VAOVAO TAMBATRA
Tomponandraiki-panjakana ambony iray, monina eny Fort-Voyron no tratra nangalatra ny ranon’ny Jirama. Nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny teknisiana, ny herinandro teo, no nahatrarana azy, taorian’ny fitarainan’ny mponina, mikasika ny tsy fahazoana rano eny an-toerana. Mampirisika ho sahy hitoroka, izay mijanona ho tsiambaratelo, ny Jirama. Niverina ny delestazy eto an-drenivohitra, taorian’ny […]
Canal + Madagasikara : tolotra vaovao ho an’ny mpanjifa
Manome tolotra vaovao ny orinasa misehatra amin’ny fandaharana televiziona Canal+ Madagasikara amin’izao fotoana favitan’ny fialantsasatra izao. Nilaza ny tale jeneraly, Rtoa Razafindrakoto Onjatiana, fa hisy ny tolotra maromaro, manomboka anio 11 septambra, karazana televiziona sy sokajim-pandaharana sahaza ny tsirairay, ho an’ny fianakaviana, ny ankizy, ny tanora, sns. Eo koa ny […]
Harena an-kibon’ny tany : hampandroso ny any Atsimo Andrefana ny tetikasa “Taratra”
Tanjon’ny tetikasa “Taratra”, tanterahin’ny Eglizy Katolika ny hisitrahan’ny Malagasy ny tombontsoa amin’ny harena voajanahary. Maro ny efa nataony tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Novolavolaina ny taona 2009 ny tetikasa “Taratra”, tanterahin’ny Eglizy Katolika. Manana otrikarena ambanin’ny tany goavana ny faritra Atsimo Andrefana toy ny […]




