Mois : septembre 2023

Rugby – Lalao fihantsiana: resin’i La Réunion ny Makis de Madagascar

Ho fanamarihana ny fanombohan’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja rugby, tanterahina any Frantsa, nisy ny lalao fihantsiana nokarakarain’ny Comité rugby réunion. Fihaonana, na­tao tao amin’ny Stade Julius Bénard, tao St Paul La Ré­union, ny zoma lasa teo. Nifandona ny XV Makis sy ny ekipa voafantin’i La Réunion. Afa-bela ry […]

Rugby – JOI 2024: ho any Zimbabwe ny Makis à 7

Taorian’ny lalaon’ny Nosy 2023, izay natao teto amintsika, ny 25 aogositra – 3 septambra lasa teo, hiatrika ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny lalao olympika Paris 2024, amin’ny taranja Rugby lalaovin’olona fito, ny Makis. Araka ny fanazavana nomen-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby, omaly, teny Ivandry, ny 13 septambra ho […]

Fibatana fonjamby: Tanjona ny hahazoana medaly amin’ny lalao Olympika 2024

Nigadona teny Ivato, omaly tamin’ny 2 ora tolakandro, ny delegasiona malagasin’ny taranja “Haltérophilie”. Avy niatrika ny “Mondial” natao tany Riyad Arabia Saodita izy ireo. «Ny hahazoana me­daly any amin’ny lalao olympika (JOI 2024) izay atao any Paris, ny taona 2024 no tanjona ho ahy», hoy Randafiarison Ro­sina, vehivavy malagasy mpibata […]

Sombim-baovao

Taorian’ny faharesen’i Allemagne tamin’ny isa 1 no ho 4, nanoloana an’i Japon, ny sabotsy lasa teo, nandritra ny lalao ara-pirahalahiana, taranja baolina kitra, dia voaroaka tsy hanazatra an’i Mannschaft i Hansi Flick, Alema mpanazatra. Araka ny vaovao voaray, Rudy Voller no manolo ny toerany, araka izany. Tsiahivina fa noho ireo […]

Handball – «Can junior 2023»: resy intelo ny Akio de Madagascar

Tsy mbola nahita mangirana mihitsy ny Akio de Madagascar, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2023), taranja handball, sokajy “junior”, vehivavy. Fihaonana, tanterahina any Monastir Tunisie, nanomboka ny 7 septambra lasa teo. Resy hatrany ny tovovavy malagasy, tamin’ireo lalao telo natrehiny, tao amin’ny vondrona “B” nisy azy. Ny […]