Afaka fotoana vitsy, hanana mpitantana vaovao indray ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Hitondra ny FMF ny iray amin’ireo kandidà dimy nirotsa-kofidina. Tontosa omaly, teny Isoraka ny antsapaka hahafantarana ny laharan’ireo kandidà dimy nirotsaka hofidina amin’izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Araka izany, mitondra ny laharana voalohany ao […]
Mois : septembre 2023
Tetikasa Picas1 : fampandrosoana ny fambolena any Androy sy Anosy
Miompana amin’ny fampiroboroboana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro any amin’ny faritra Anosy sy Androy ny tetikasa “Picas”*, andiany voalohany. Famatsiam-bola avy amin’ ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), mitentina 14,7 tapitrisa U.C**. Nanomboka tamin’ny jona 2023 ny fanatanterahana azy, ka anisan’izany ny fanajariana ny lemaka miisa enina, […]
Tetikasa TNTs : mamaly ny hetahetan’ny mponina eto Antananarivo
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly, ny tetikasa «Territoire Numérique en Transition» (TNTs). Notanterahana tetsy amin’ny Lapan’ ny Tanàna Analakely ny lalonana nanombohana izany. Vatsian’ny Afd vola ny tetikasa ary nanombohana izany ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Hisitraka voalohany, araka izany, ny mponin’Antananarivo satria mamaly ny hetahetan’ny vahoaka ny fitaovana. Toy ny […]
CUA-Polisy monisipaly: mankalaza ny faha-23 taona nijoroany
Orimbato najoro etsy Ankasina. Io no nentin’ny Polisy monisipaly nanamarika ny faha-23 taona nijoroany, omaly. Nanatrika ny fotoam-pankalazana ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra. Nankalazaina omaly ny faha-23 taona nijoroan’ny Vondrona polisy monisipaly eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Izay tarihin’ny lehiben’ny vondrona, ny Commissaire Ostrom Whenss. Ho fanamarihana izany, nanolotra orimbato ho […]
INDRAY MIJERY
Mitohy hatramin’ny anio ny atrikasa fampahafantarana ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon’ny olona manana fahasembanana, tanterahina etsy Tsiadana. Mandray anjara amin’izany ireo fikambanan’ny olona manana fahasembanana miisa 12 ary manana ny solontenany ireo olona manana toe-batana varira. Mandritra ny telo andro hanatanterahana ny varavarana misokatra amin’ireo hopitalim-panjakana manerana ny Nosy, […]




