Tetikasa TNTs : mamaly ny hetahetan’ny mponina eto Antananarivo

Natomboka tamin’ny fom­ba ofisialy omaly, ny tetikasa «Territoire Numérique en Transition» (TNTs). Notante­rahana tetsy amin’ny Lapan’ ny Tanàna Analakely ny lalonana nanombohana izany. Vatsian’ny Afd vola ny tetikasa ary nanombohana izany ny Kaominina Antananarivo Re­nivohitra. Hisitraka voalohany, araka izany, ny mponin’An­tananarivo satria mamaly ny hetahetan’ny vahoaka ny fitaovana. Toy ny fahafahana manao tatitra amin’ireo tomponandraikitra raha misy zavatra na loza mitranga,
amin’ny alalan’ny «signalement anomalie». Hampitaina amin’ny alalan’ny «Direction de développement numérique et des systèmes informatiques» eo amin’ny CUA izany. Ankoatra izay, lalana iray ahafahan’ny vahoaka sy ny kaominina mifanerasera ihany koa izany. Mba hanamorana sy hanafainganana ny fanaovana ireo antontan-taratasy eo anivon’ny kaominina. Mba hialana tsikelikely amin’ny fampiasana penina sy taratasy ihany koa.
Faritra dimy ireo mikambana ao amin’ny TNTs maneran-tany. Ahitana ny «Région Île-de-France» ny «Région Ca­sablanca-Settat», ny «département de Rufisque», ny «District autonome d’Abid­jan», ary ny Kaominina Anta­nanarivo Renivohitra. Tanjona ny hampivoatra sy hanatsara ny fiainam-bahoaka amin’ny alalan’ny fitaovana nomerika na ny «digitalisation». Hamo­ronana fitaovana niomerika sy hitantanana izany ary hampitomboana ny fitaovana hampiasain’ny mpiasan’ny kaominina ihany koa. Marihina fa efa nanomboka ny volana Mai 2023 ny tetikasa ary haharitra telo taona.

Mino

Partager sur: