Mois : septembre 2023

Fifidianana: tsy hanolotra kandidà ny Fiombonana

Vita omaly, teny Ambatomirahavavy, ny kongresy nasionalin’ny antoko Fiombonana. Mazava ny tapak’izy ireo. “Tsy handrotsaka kandidà ho filoham-pirenena aloha izahay nefa misokatra amin’ny hery rehetra. Anton’izany ny tsy fahafenoan’ ny fepetra miantoka ny fifidianana madio sy eken’ny rehetra, ahafahan’ny vahoaka maneho ny safidiny“, hoy ny sekretera jeneraly, i Durlin Retogniane. […]

AFF- Ravatomanga Haingo: “Miantso ny filoha Rajoelina Andry ho kandidà izahay”

Ranolava ny fiantsoana ny filohan’ny repoblika am-perinasa ho kandidà. Anisan’izany ny Andry sy fototra ho an’ny fampandrosoana (AFF), tarihin-dRavatomanga Haingo. Ho fantatra amin’ity herinandro ity ny ho valin-tenin’ny filoha Rajoelina Andry, manoloana ireo antso samihafa avy amin’ny sehatra isan-karazany tato ho ato. Tsy maintsy mametra-pialana izy ny faha-9 septambra raha […]

Famindrana ny labatoara: tafakatra  30 000Ar ny vidin-kena

Lasibatry ny savorovoro eny anivon’ny labatoara ao Toamasina ny mpivaro-kena sy ny mpanjifa. Nifampitadiavana ny hena rehetra hatramin’ny zoma teo.  Nisahotaka ny tanànan’i Toamasina nanomboka ny zoma teo. Mananosarotra ny fitadiavana ny henan’omby, ny henan-kisoa, ny henan’ondry ary ny henan’osy hatramin’ny akoho, ao an-toerana. Vokatry ny fitokonana nataon’ny mponina tsy […]

Vaovao tambatra

Tapaka matetika ny herinaratra amin’ny faritra maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina nandritra ny lalaon’ny Nosy. Nisy ny ezaka nataon’ny orinasa Jirama tamin’ny fampanenana ny fahatapahan-jiro. Ankehitriny samy mametra-panontaniana ny rehetra amin’ny momban’ny famatsiana herinaratra. Misy ny fifanarahana ara-toekarena sy ara-barotra eto amin’ny ranomasimbe Indianina. Fanalalahana sy fifanakalozana ara-barotra amin’ny […]