Razanoely Manohisoa, hianatra teny sy kolontsaina japoney ao amin’ny Oniversiten’i Hokuriku ao Kanazawa, Ishikawa sy i Rakoroharinaivo Balsama, hianatra teny sy kolontsaina japoney ao amin’ny Oniversiten’i Kyoto University of Foreign Studies. Izy roa ireo no nahazo ny vatsim-pianarana avy amin’ny governemanta japoney . Hotanterahina ny 7 sy 8 septambra izao, […]
Mois : septembre 2023
SOMBIM-BAOVAO
Nanao pao-droa i La Réunion teo amin’ny fandrombahana medaly volamena, taranja handball. Resin’i La Réunion, tamin’ny isa 30 no ho 22 ny Akio, sokajy vehivavy, omaly, teny Vontovorona. Lavon’i La Réunion, 28 no ho 16 koa ny lehilahy. Lasan’ny Ankoay daholo kosa ny volamena teo amin’ny basikety lalaovin’olona dimy. Ratsy […]
Filoha Rajoelina Andry: « Tratra ny tanjona tamin’ity lalaon’ny Nosy ity, voalohany i Madagasikara »
Nifarana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny lalaon’ny Nosy 2023. Tsara ny vokatra ho an’i Madagasikara. Hatao any Comores ny andiany faha-12. “ Tratrantsika ny tanjona tamin’ity lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, ity, nahazo ny laharana voalohany i Madagasikar.”, hoy ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry Nirina, omaly. […]
Baolina kitra: 30 taona aty aoriana, naverin’ny Barea eto Madagasikara ny volamena
Nofaranan’ny Barea de Madagascar, tao anatin’ny hafaliana ny lalaon’ny Nosy. 30 taona aty aoriana, naverin-dry zalahy eto Madagasikara indray ny medaly volamena eo amin’ity taranja baolina kitra ity. Fony ry Rôrô, mpanazatra ny Barea ankehitriny, no nahazo izany farany ny Malagasy. Ny sabotsy lasa teo, nandritra ny famaranana, natao tetsy […]
Rugby: nandrombaka medaly volamena 2 ny Makis
Nahatanteraka ny fanambiny ny Makis, teo amin’ny taranja rugby, lalaovina olona 7. Fihaonana notanterahina tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny sabotsy lasa teo. Tsy navelan’ny Makis hivoaka ny taniny mantsy ny medaly volamena roa, ho an’ny lahy sy vavy. Teo amin’ny vehivavy, nataon’ny Makis tsy nisotro rano mihitsy ireo rehetra […]




