Mois : septembre 2023

Judo-« Tournoi de Venelle » : laharana fahadimy ny Diaspora malagasy

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Venelle Fran­tsa, ny fifaninanana “Tournoi International de Venelle” isam-bondrona, taranja Judo. Nandray anjara tamin’izany ny Diaspora malagasy, sokajy lehilahy. Raha ny vokatra, teo amin’ny laharana fahadimy no nisy azy efatra mirahalahy, rehefa raraka teo amin’ny ampahefa-dalana. Azo lazaina ho tsara ny fanombohana ho an’ny […]

SOMBIM-BAOVAO

« Lalaon-tsaina Echecs ». Natao ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny CGM Analakely, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Echecs, sokajy Vétérans sy vehivavy. Tafiditra anatin’ny politikan’ny federasiona izao ho fanomezan-danja ny sokajy rehetra. Mpilalao Echecs nisongadina teo amin’ny vehivavy Rakotomaharo Faratiana, izay nahazo fandresena. Araka ny vaovao navoakan’ny Malagasy Rugby omaly, […]

Rugby: hiroso amin’ny fifidianana seksiona

Araka ny tapaka teo anivon’ny Malagasy rugby, hiroso amin’ny fifidianana ny filohan’ireo seksiona telo tsy mbola nahatontosa ny azy, ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni). Raha tsiahivina, tsy mbola nahatontosa izany Atsimondrano sy Avaradrano ary Antananarivo Renivohitra. Ho fanomanana izany, hisy ny fanazavan-kevitra hataon’ny Ceni foibe ho an’ireo […]

Kitra – Cosafa Women’s Cup : natao ny fampivondronana ny vehivavy Barea

Taorian’ny antsapaka natao ny 14 septambra lasa teo mahakasika ny “Cosafa Women’s Cup”. Efa miditra amin’ny fandraisana andraikitra hiatrehana izany ny kaomisionina ny baolina kitra vehivavy eto amintsika. Afaka sivy andro, hotanterahina any Afrika Atsimo, ny 4 hatramin’ny 15 oktobra ho avy izao ny fifaninanana «Cosafa Women’ s Cup », taranja […]