Mois : septembre 2023

“Fondation Orange”- Fanabeazana nomerika : mpanabe sy mpianatra 400 000 nahazo tombontsoa

Navondrona amin’ny toerana iray anaty tranoheva eny amin’ny tokotanin’ny orinasa Orange ny fandaharanasa sosialy rehetra (village solidaire) ho fanampiana ny mpiara-belona sahanin’ny Orange solidarité Madagasikara. Tao anatin’ny 10 taona, nanohana ny fanabeazana izy ireo ary nampiroborobo ny fanabeazana nomerika mampivoatra ny fomba fampitana fahalalana any an-dakilasy. Nizarana «tablette» ny sekoly […]

Andavamamba : hatsangana ny toeram-ponenana vaovao

Hotanterahina anio ny fametrahana ny vatofototry ny toeram-ponenana vaovao eny Andavamamba. Iarahana amin’ny tetikasa “Produir” sy ny Agetipa, ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany ary ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny asa. Amin’io ihany koa no hampahafantarana ny endriky ny toeram-ponenana haorina eny an-toerana. Ankoatra izany ny fisian’ny tranoheva fampahafantarana ny tetikasa […]

Mpiadina mendrika tamin’ny CEPE 2023 : notoloran’ny kaominina Antananarivo Renivohitra fanomezana

Tsy nanadino ireo mpianatra nisongadina ka nahazo salanisa ambony indrindra tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Toy ny efa fanaon’ny kaominina isan-taona, no­tanterahina omaly, tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny fiarahabana sy ny fankasitrahana ireo ankizy mendrika indrindra tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE 2022-2023 teo anivon’ny boriborintany enina eto an-dRe­nivohitra. Notoloran’ny […]

Ankazobe: Karatany 12 000 sy bokin-tany 282 nozaraina

Mitohy hatrany ny hetsika karatany faobe ataon’ny fitondram-panjakana manerana ny Nosy. Nahazo ny anjarany ny ao amin’ny faritra Anka­zobe, omaly. Hetsika notarihin’ny mi­nisitry ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany sy ny tetikasa “CASEF”. Kara­tany miisa 12 000 no nozaraina tany an-toerana vokatry ny hetsika karatany faobe (opération de certification foncière massive […]