Nampahafantarina, omaly, tetsy Ampefiloha ny fisian’ny tambajotra nomerika “Wipwork”. Sehatra hifandraisana mivantana, tsy misy mpanelanelana eo amin’ny orinasa sy ny tanora mitady asa. Nanatanteraka ny soniam-piaraha-miasa nandritra izany, ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa (METFP) sy ny eo anivon’ny World Internediation platform (Wipwork). Tanjona ny hanampiana ireo tanora amin’ny […]
Mois : septembre 2023
Andrianainarivelo Hajo : “Mila miova ny fomba fiasa ahafahana mivoatra”
Nambaran’ny kandidà, Andrianainarivelo Hajo, fa anisan’ny manova ny fiarahamonina sy mampivoatra ny firenena ny fitsinjaram-pahefana tena izy sy ny fanjakana tan-dalàna ary ny fanatsarana ny fari-piainan’ny vahoaka. Nohitsiny fa anisan’ny mahatonga ireo mpampiasa vola tsy ho voasarika ny tsy fipetrahan’ny tany tan-dalàna. Mitombo isa ireo tsy an’asa. “Tena diso laharam-pahamehana […]
Mahanoro : ratsy ny làlana RN 11 A
Mateti-pitranga ny halatra moto ao Toamasina. Tsy hita mihitsy ny hiafaran’izy ireny. Manamafy izany ny fahatrarana moto very, hita tany Mananjary sy Taolagnaro. Vokany, nandritra ny fanadihadiana natao teny amin’ny seranan-tsambon’ny Lakandranon’i Pangalana tao Mahanoro no nahalalana fa tsy misy fanaraha-maso ny entana haondrana. Eo koa ny entana mivoaka eo […]
Kaominina Antehiroka : vaky ny adin’ny ben’ny Tanàna sy ny lefitra voalohany
Hampiakatra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Antehiroka. Fanalam-baraka nataon’ny lefitra voalohany no anton’izany. Nanao fanambarana ny lefitra voalohany eo anivon’ny kaominana, tamin’ ny herinandro lasa teo. “Terena hanao sonia taratasy hosoka izay tsy manaraka ny lalàna ny tenany, ary milaza fa vavolom-belona tamin’ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ny […]
INDRAY MIJERY
Nambaran’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fa mahatratra 4 tapitrisa mahery ny mpianatra nisitraka ny fizarana kahie hampiasan’ny mpianatra amin’ity taom-pianarana 2023-2024 ity. Ho fanampiana ny ray aman-dreny amin’ny vola lany hividianana fitaovana no tanjona. 27 taona no nijoroan’ny Association des chercheurs enseignants (ACE) izay mampivondrona ny mpikaroka mpampianatra sy izay liana amin’ny […]




