Mois : septembre 2023

Nate Tex : Haseho anio ny rakitsariny « Hiverina »

Tontosaina anio tolakandro, ao amin’ny Ivokolo Anala­kely, ny seho an-tsehatra iarahana amin’i Nate Tex, ao anatin’ilay fampisehoana nampitondrainy ny lohateny hoe “Hiverina”. Ankoatra ny fampisehoana, Fotoana ihany koa ity hanehoana voalohany ny horonantsarin’ny hira “Hiveri­na”. Manodidina ny ora roa eo ny faharetan’ny fampisehoana ary efa nofantenan’ny mpikarakara sy ny mpandray […]

« Ant’sary Doc Festival » : lasan’i Gaspard Geoffrey ny “Prix du Public”

Lasan’i Gaspard Geofrey, Malagasy mpanatontosa horonantsary fanadihadiana, ny amboara « Prix du Public», nandritra ny hetsika “Ant’sary Doc Festival” andiany voalohany. « Tavela » no lohatenin’ny horonantsary fanadihadiana nentiny nambabo ny fon’ny mpijery ka nahazoany izao amboara izao. Malagasy sy vahiny mpanatontosa, miisa 25 no nandray anjara tao anatin’ity fifaninanana ity. Ny 9 […]

« Slam national 14 »: miisa fito ireo hiatrika ny dingana famaranana

Ambohipihaonan’ny fianakaviamben’ny “Slam Malagasy” ny eny amin’ny IFM Analakely, anio. Hianoka ny seho an-tsehatra atolotr’ireo mpifaninana 7, tafita amin’ny dingan’ny famaranana ireo mpijery. Tanterahina anio tolakandro, eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny dingana famaranana amin’ny fifaninanana nasionaly eo amin’ny « Slam Poèsie », andiany faha-14. Miisa 7 ireo tafita […]

Raharaham-pirenena : Leo krizy ny Malagasy, mitaky ny hisian’ny fifidianana

Misafidy ny hirosoana amin’ny fifidianana ireo olon-tsotra nanaovana fanadihadiana. Vahaolana tsara sy ilain’ny firenena izany, hisorohana krizy hafa, ankoatra ny fahasarotam-piainana izay tsy maintsy atrehina isan’andro. Fotoana ahafahan’ny olom-pirenena tsirairay maneho hevitra malalaka. Sehatra iray, hametrahany izay filoha hitondra sy hitantana ny firenena. Fanadihadiana! Randrianaivo Jean Aurore, mpanabe sy mpanakanto: […]

Vaovao tambatra

Mizaka ny zom-pirenena malagasy ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, araka ny fanazavan’ny filohan’ny HCC teo aloha, Rakotoarisoa Jean-Eric, teny Ankorondrano, afakomaly. Tsy maintsy misy ny didim-panjakana manala izay zom-pirenena izay ary mivoaka amin’ny Gazetim-panjakana, araka ny lalàna. Hatra­min’izao, tsy mbola nisy izany. Tsy nahazo alalana hiteny amin’ny Leader Fanilo, […]