Tsy tanteraka ny hetsika nokasain’ny vondron’ireo kandidà hatao tetsy amin’ny Lapan’ ny Fanatanjahantena Mahamasina, omaly tamin’ny 2 ora. Nandrangaranga ny ho eny amin’ny kianjan’ny 13 mai izy ireo ny alatsinainy izao, raha tsy tanteraka ny fitakiany. Anisan’ny takin’ireo kandidà ny hifampiresahana ahafahana miroso amin’ny fifidianana madio. Eo koa ny tsy […]
Mois : septembre 2023
Izay be no basy !
Tsy taitra, tsy maika, kanefa tsy tara ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina. Mandritra ny fotoana mampisahotaka ny olon-drehetra, izy tsy andrenesam-peo. Miezaka ny mizara traikefa amin’ny tanora sy ny fandraharahana no imatimatesany. Mbola mangina tanteraka ny lehilahy raha resaka politika. Mbola miompana amin’ny toekarena sy sosialy ny fampielezan-kevitra […]
Vondrona politika Armada: manohana ny kandida n°3
Nampahafantatra ny fanohanany ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina, ireo antoko miisa 13 mivondrona eo anivon’ny Armada. Nitondra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ihany koa izy ireo. “Manameloka ny fitadiavana savorovoro politika na fandatsahan-dra, hamono ny firenena izahay. Tsy mendrika hiaina korontana na krizy iniana volena ny vahoaka”, hoy ny fanambarana, novakian’ny filoha nasionalin’ny AKFM Fanavaozana, […]
TSELATRA
Telo mianadahy mianaka nahatrarana vola sandoka mitentina 3 850 000 Ar tao Ambatolampy, ny alarobia 27 septambra teo. Nandritra ny famadihana tao an-toerana, nividy zava-pisotro tamin’ny vola sandoka roa alina Ar teny aminy ny vehivavy iray. Tsikaritry ny mpivarotra fa sandoka ny vola nomena azy. Niantso zandary ity farany ka nosamborina ireo […]
Nataony tao anaty armoara: novonoiny ny vadiny, saika haleviny an-tsokosoko ny fatiny
Saika matin’ny fitsaram-bahoaka ! Efa ho telo andro no tsy tazatazan’ny fiarahamonina tao Tanambao Verrerie Toamasina, ny ramatoa iray vady an-defimandrin-dRakotoarison Germain Roda, 32 taona (tsy fantatra mazava ny asany). Raha ny angom-baovao, omaly maraina, nilaza hifindra trano izy ka nitatitra entana tamin’ny rambaramba (Kalesa hazo fitondrana entana). Nomeny ara-dalàna ny hofan-trano tao amin’ny […]




