Nangataka alalana any amin’ny prefektiora ny vondron’ireo kandidà 11, hiatrika ny fifidianana. Hamory ireo mpiara-dia aminy etsy amin’ny “Palais des Sports” Mahamasina izy ireo, ny zoma ho avy izao. Hitondra fanazavana momba ny fiainam-pirenena, indrindra ny fiatrehana fifidianana. Andrasana ny valin’izany fangatahana famoriam-bahoaka izany. Mikasa hanao fitsipaham-pitokisana ny governemanta indray […]
Mois : septembre 2023
Fiatrehana ny fifidianana : hanohana ny kandidà Rajoelina ny Betsy Groupe
Tapa-kevitra ! Hanohana sy hampandany ny kandidà Andry Rajoelina, araka ny fanambarana nataony tetsy Ivandry, ny sabotsy lasa teo, ny fikambanana Betsy Groupe. Nambaran’ny filoha mitarika azy ireo, i Lambozafy Raoto fa tsy vaovao akory izao fanohanana izao. Efa tamin’ny 1 febroary teo, teto Antananarivo sy ny tany Fianarantsoa, ny […]
Fifidianana ihany !
Nahoraka tato anatin’ny andro vitsy ny fangatahana fanemorana fifidianana, rehefa tsy nahomby ny fivoizana ilay resaka korontana. Mbola misy vondron’olona tsy fanta-piaviana izany mivoy rahateo ny fidinana an-dalambe. Samy mampiaka-peo eny amin’ny tambajotram-pifandraisana. Sanatrian-dresaka ny manome tsiny, fa ireo mivoy ho mpisoroka ny korontana no mamboly korontana. Mibaribary ny […]
Filohan’ny OJM : “Avelao hiasa malalaka ny mpanao gazety”
Manana anjara andraikitra lehibe amin’ny fanatanterahana ny fifidianana ny mpanao gazety. Mampahatsiahy amin’ny famelana malalaka azy ireo hanao ny asany ny filohan’ny Holafitra (OJM) manoloana izany. Nitondra fanazavana ny andraikitry ny mpanao gazety amin’izao fiatrehana ny fifidianana izao ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), i Monica Rasoloarison. Nambarany fa […]
Ihosy: dahalo fito lavon’ny bala, tompon’omby iray maty
Namoy ny ainy matin’ny dahalo ny tompon’omby iray nanara-dia dahalo tao Ihosy, ny faran’ny herinandro teo. Dahalo fito voatifitra ary am-polony naratra. Dahalo fito maty nandritra ny fifampitifirana tamin’ny zandary tao amin’ny fokontany Tanandava Malio, distrikan’ Ihosy, ny sabotsy hifoha ny alahady 24 septambra teo. Nangalatra omby 73 tao amin’io […]




