Mois : septembre 2023

FCCIM: nandray ny fitantanana ny filoha vaovao

Hitondra sy hitantana ny federasion’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Madagasikara (FCCIM) ny filoha vaovao, Laou Pou Wilfrid. Nafindran’ny filoha teo aloha, Viviane Dewa tamin’ny mpandimby azy Laou Pou Wilfrid ny fitantanana ny federasionan’ny Antenimieran’ny varotra sy indostria eto Madagasikara. Hetsika natao tetsy amin’ny biraon’ny FCCIM Antanimena, ny zoma […]

Fary sy siramamy: ambany ny taham-pamokarana eto Madagasikara

Mifampiankina amin’ny fambolena fary ny famokarana siramamy eto amintsika. Seha-pihariana mbola malalaka sy azo itadiavana lalam-barotra ary ahitam-bokatra maro ny siramamy. Mbola ambany ny taham-pamokarana siramamy eto amintsika noho ireo fepetra maro samihafa takina amin’ny fambolena fary sy ny famokarana, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny foibe malagasy […]

VAOVAO TAMBATRA

Hanafatra fitaovana fitiliana ny Laboara­toaram-pirenena mikasika ny fizahana ara-pahasalaman’ny biby (LNDV). Hiantohan’ny fanjakana foibe ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana mahakasika izany. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa tohanan’ny Antokon-draharaha iraisam-pirenena mikasika ny angovo atomika (AIEA) ity fanafarana fitaovana ity. Nanolotra sambo haingam-pandeha roa ho an’ny Foibe mpanara-maso ny jono (CSP) […]

Kolonely Damasy Gervais: laharam-pahamehan’ny ACM ny antoka sy ny aroloza

Voatendry ho tale jeneraly (DG) ny Antokon-draharaha mi­­sahana ny fitaterana ana habakabaka ho an’ny sivily (ACM), ny kolonely Damasy Gervais, ny volana febroary 2023 teo. Nambarany fa tao anatin’izay enim-bolana izay, anisan’ny fa­namby napetraka ny hanaovana laharam-pahamehana ny fa­metrahana antoka ny fitaterana ana habakabaka, miampy ny fanatsarana ny aroloza. Eo […]

Tetikasa Efaho: Tonga ny fantsombe hitatitra ny rano avy any Taolagnaro hatrany Ambovombe

Miisa 1 000 ny andiany voalohany amin’ny fantsombe ilaina amin’ny famatsian-drano avy amin’ny reniranon’i Efaho any Taolagnaro. Mirefy 97 km ny fitambarany hatrany Ambovombe, hamahana ny olan’ny tsy fisian-drano any atsimo. Mandeha ny asa fanamboarana ny fantson-drano miainga any Taolagnaro hatrany Ambovombe, ao anatin’ny tetikasa “Pipeline Efaho”. Nigadona ao amin’ny […]