Tsenaben’ny Boky. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Andriampamaky, ny hetsika «Tsenaben’ny Boky» andiany faharoa. Fahombiazana no azo ilazana ny hetsika noho ny fahavitrihan’ny mponina tany an-toerana niatrika izany. Teo ihany koa ny fanotronan’ireo Oloben’ny fanoratana malagasy, sahala amin’i Michèle Rakotoson. « Rhapsodie Picturale ». Andro vitsy sisa no ahitana […]
Mois : septembre 2023
« Ant’sary Doc Festival »: Andro faharoan’ny fifaninanana, anio
Nanomboka omaly, eny amin’ny Tranompokonolona Analakely, ny fandefasana ireo horonantsary fanadihadiana, mifaninana ao anatin’ny «Ant’sary Doc Festival». Efa nisokatra tamin’ny alakamisy lasa teo ity hetsika lehibe ity. Hitohy rahampitso hatramin’ny alarobia izany fandefasana ny horonantsary mifaninana izany. “Mbola fanombohana ny amin’ity taona ity, tanjona ny hametraka ny horonantsary fanadihadiana amin’ny […]
Fakafaka : Mpisandoka raindahiny !
Amboamboarina ery ny fomba fiteny, ny fihetsika, ny fijoro… Sao tsy maharesy lahatra, hono. Efa taranja ianarana any an-tsekoly, rahateo, ny fomba fiatrehina sy firesahina aman’olona. Tsy takon’afenina fa voasarik’io zava-baovao io tokoa ny Malagasy, indrindra fa ny tanora. Nanjary nanadino ny voajanahary (fomba fiteny sy firesaka, fihetsika, fijoro…). […]
Big MJ : hivoaka ny volana oktobra ny rakikira vaovao
Manana ny maha izy azy, raha eo amin’ny sehatry ny mozika malagasy i Big MJ. Mitohy hatrany ny fanomezana fahafaham-po ny mpankafy amin’ny vokatra vaovao. Tsy hijanona hatreo fa hisy ny vokatra ho an’ny tontolon’ny mozika iray manontolo. Hamoaka ny rakikira, izay ampitondraina ny lohateny hoe «Merci» i Big MJ, […]
Herisolomahefa Honorat : lalana hisokafana amin’ny sehatr’asa ny fanaovana hatsikana
Asa iray mampifoha ny talenta ao anatin’ny olona iray ny fanaovana hatsikana. Talenta ahafahana misokatra, ahitana fifaneraserana sy asa maro samihafa ihany koa izy io. “Tsy mahavelona ny fanaovana ny hatsikana raha eto Madagasikara manokana satria miankina amin’ny fiantsoan’ireo mpiakaraka fety sy lanonana ny asany”, hoy ny mpanao hatsikana sady mpanentana, Herisolomahefa Honorat, raha […]




