Mois : septembre 2023

INDRAY MIJERY

Manana hetsika lehibe ny orinasa Orange sy ny Orange solidarité amin’ity herinandro ity. Hisokatra anio, eny amin’ny foiben’ny orinasa Ankorondrano ny hairanty momba ny village Orange. Rahampitso, lasa tanàna Orange ny kaominina Antsahafilo ka ho marihina amin’ny lanonana eny an-toerana. Mpiofana maherin’ny 1 041 amin’ny faritra 24 no nozaraina fitaovana hoentina […]

Mampisara-taona : ho maina ny andro anatin’ny hateloana

“Ho maina ny andro ao anatin’ny telo andro manaraka”, hoy ny teknisianina eny amin’ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Ny ilany avaratra atsinanan’ny Nosy sy ny faritra Melaky no hisitraka rotsakorana fa ny faritra sisa ho maina avokoa. Anatin’ny vanim-potoana manasara-taona isika izao ary indraindray mbola mahatsapa hatsiaka. […]

Olana iraisam-pirenena : tsy manana fotodrafitrasa fidiovana ny olona 4,2 miliara

Misehatra any Niger sy Sénégal ny « Speak UpAfrica » amin’ny fametrahana ny fandaharanasa « Boues d’or » hanomezana lanja ny fanadiovana sy ny fidiovana mitondra vokatra tsara indrindra ho an’ny ankizivavy sy ny vehivavy. Olana iraisam-pirenena sedrain’ny firenena maro ny tsy fisitrahan’ny vahoaka ao aminy fanadiovana. Tsy manana fotodrafitrasa fidiovana ny olona 4,2 […]

VAOVAO TAMBATRA

Efa mahatratra 3 000 Ar ny kilaon’ny vary eny amin’ny mpaninjara. Nilaza ny mpamboly vary any Ambatondrazaka, faritra Alaotra Mangoro, fa tamin’ity taona ity no tena lafo indrindra ny vidim-bary. Manodidina ny 500 hatramin’ny 600 Ar ny kapoaka tamin’ny taona 2022, nefa efa 800 Ar hatramin’ny 900 Ar izany izao. […]

Fiovan’ny toetr’andro: mila 2,8 miliara dolara i Afrika

Manaitra ny rehetra ny Banky iraisam-pirenena fa tena maika ny fikarohana vahaolana aty Afrika mano­loana ny fiovan’ny toetr’andro. Notateriny fa raha ny tombana nataon’ny Bad, mila vola 2,8 miliara dolara i Afrika hama­tsiana ny fiatrehana ny fiovan’ ny toetr’andro, ho an’ny taona 2020 hatramin’ny 2030. Tsy mahazo afa-tsy ny 3%-n’ny […]