Misehatra any Niger sy Sénégal ny « Speak UpAfrica » amin’ny fametrahana ny fandaharanasa « Boues d’or » hanomezana lanja ny fanadiovana sy ny fidiovana mitondra vokatra tsara indrindra ho an’ny ankizivavy sy ny vehivavy.
Olana iraisam-pirenena sedrain’ny firenena maro ny tsy fisitrahan’ny vahoaka ao aminy fanadiovana. Tsy manana fotodrafitrasa fidiovana ny olona 4,2 miliara maneran-tany, araka ny fanadihadiana nataon’ny OMS sy ny Unicef ny taona 2017. Aty amin’ny firenena afrikanina, atsimon’i Sahara, 28% amin’ny mponina no manana fotodrafitrasa fidiovana raha mbola mangery ankalamanjana ny 32%-n’ny vahoaka (OMS-Unicef 2017). Raha jerena ireo antontanisa ireo, mbola ho sarotra ny hahatratra ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy milaza ny tokony hisitrahan’ny daholobe fotodrafitrasa fidiovana sy ny fanafoanana ny fangerena ankalamanjana hatramin’ny taona 2030.
Tsapa fa tsy manana politika mazava momba ny fanadiovana sy fidiovana miainga avy amin’ny zava-misy ao aminy ny firenena maro indrindra aty Afrika. Amin’ny firenena afrikanina 40 nanaovan’ny Firenena mikambana fanadihadiana, 18 ihany no manana politika momba ny fahadiovana sy fidiovana.
Tsy mandeha any an-dakilasy
Miteraka olana ho an’ny mponina, indrindra ny ankizivavy sy ny vehivavy izany. Aty amin’ny firenena afrikanina, atsimon’i Sahara, tsy mandeha any an-tsekoly ny ankizivavy iray amin’ny 10 rehefa tonga ny fadim-bolana satria tsy manana toerana ahafahany midio any an-dakilasy. Very vokatr’izany ny 20% amin’ny fotoana tokony hanarahany fampianarana.
Napetraka ny hetsi-panentanana “Boues d’or” miaraka amin’ny « Speak Up Afrika » hanamafisana ny fanentanana sy handraisan’ny fanjakana andraikitra amin’ny famolavolana politika mazava. Miantefa amin’ny minisitera misahana ny fanadiovana sy ny fidiovana ny “Boues d’or” miaraka amin’ny firaisamonina sivily.
Vonjy




