“Ho maina ny andro ao anatin’ny telo andro manaraka”, hoy ny teknisianina eny amin’ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Ny ilany avaratra atsinanan’ny Nosy sy ny faritra Melaky no hisitraka rotsakorana fa ny faritra sisa ho maina avokoa. Anatin’ny vanim-potoana manasara-taona isika izao ary indraindray mbola mahatsapa hatsiaka. Nanomboka omaly, niakatra ny maripana eto afovoantany, mbola hitohy anio izany. Hiverina hidina indray ny maripana rahampitso fa hiakatra kosa ny alarobia. Anio, 13-25°C ny maripana eto Antananarivo. Ny tsioka Alizay no mandrafitra ny toetry ny andro amin’ny ankapobeny.
Tsy misy ny filazana fampitandremana ho an’ny toetry ny andro any amin’ny morontsiraka.
Hisy ny zavona vao maraina ho an’ny atitanin’ny Matsiatra Ambony sy Ihorombe izay hisava ihany rehefa atoandro.
Ahitana tandrifin-drahona any avaratra atsinanana ny maraina, hahazo erika any Alaotra Mangoro fa hisava rehefa avy eo, ho an’ny rahampitso.
Vonjy




