Fahavoazana goavana ny an’ny All Blacks Nouvelle-Zelande, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany “Mondial 2023”, taranja rugby. Fifaninanana tanterahina any Frantsa. Tsy afaka milalao amin’ireo ambin-dalao roa ao anatin’ny fifanintsanana isam-bondrona mantsy i Ethan De Groot, mitana ny toeran’ny “pilier”. Noho ny karatra mavo nivadika ho karatra mena azony, […]
Mois : septembre 2023
« Camp de basket-ball d’élites » : fivoahana any ivelany voalohany ho an’i Jean Felix
Misitraka ny fandaharanasan’ny Fiba Afrika, eo amin’ny lafiny fampiofanana ny tanora mpanao basikety sangany eto Afrika, i Madagasikara. Mpilalao 4 mianadahy sy mpanazatra 2 no miatrika izany amin’ity volana ity. Nanomboka omaly 20 septambra, any Bamako Mali, ny fiofanana « Camp de basket-ball d’élites ». Malagasy 3 lahy no solontenan’i Madagasikara, miatrika […]
INDRAY MIJERY
Nanomboka omaly ny hetsika ara-panatanjahantena sy ara-kolontsaina ataon’ny mpiasan’ny fahasalamana manerana ny faritra 23, etsy Mahamasina. Hitohy anio izany ho fanehoana firaisankina sy fiaraha-mientana eo amin’ireo mpisehatra. Izy ireo no mampihodina ny sehatry ny fahasalamana any amin’ireo tobim-pahasalamana manerana an’i Madagasikara. Manamarika ny faha-40 taona niorenany ny fakiolten’ny Siantsa sy […]
«FORUM HANDICAP EMPLOI» : Hodinihina ny fahasembanana sy ny asa
Hotanterahina eo amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny 28 – 29 septambra izao, ny « Forum Handicap Emploi », andiany voalohany. Hetsika ahafahan’ireo fikambanan’ny olona manana fahasembanana sy ireo sehatrasa ho an’ny olona manana fahasembanana ary ireo mpampiasa mihaona. Tanjona ny fanafoanana ny tsy fitoviana eo amin’ny sehatry ny asa ho […]
Vontovorona : raikitra ny fitokonan’ ny mpianatra
Naneho ny hatezerany ireo mpianatra eny amin’ny Polyteknika Vontovorona, omaly, ka nanao fitokonana fanairana ny tomponandraiki-panjakana. Niato nandritra ny 3 volana ny fampianaran’izy ireo noho ny grevin’ny mpampianatra mpikaroka izay tsy mbola ahitam-bahaolana hatramin’izao. Mitaky ny fiverenan’izany fampianarana izany haingana ny mpianatra. Tsy manaiky ny hanerena ny famitana ny taom-pianarana […]




