Naneho ny hatezerany ireo mpianatra eny amin’ny Polyteknika Vontovorona, omaly, ka nanao fitokonana fanairana ny tomponandraiki-panjakana. Niato nandritra ny 3 volana ny fampianaran’izy ireo noho ny grevin’ny mpampianatra mpikaroka izay tsy mbola ahitam-bahaolana hatramin’izao. Mitaky ny fiverenan’izany fampianarana izany haingana ny mpianatra.
Tsy manaiky ny hanerena ny famitana ny taom-pianarana amin’ny faran’ny volana oktobra ihany koa izy ireo satria mbola betsaka ny fandaharam-pianarana tsy vita ary mandeha tsikelikely ny fampianarana eny an-toerana ka tsy afaka atao terivaimanta toy izany, hoy ny filohan’ny mpianatra eny Vontovorona.
Ankoatra izany, takin’izy ireo ny fampiakarana ny vatsim-pianarana satria efa an-taona maro izany no tsy nihetsika ary tsy mifanaraka amin’ny vidim-piainana amin’izao fotoana intsony.
Miankina amin’ny famalian’ny tomponandraikitra ny fitakiana no hitohizan’ny fitokonana na tsia, raha ny fanazavana ihany.
Tatiana A




