«FORUM HANDICAP EMPLOI» : Hodinihina ny fahasembanana sy ny asa

Hotanterahina eo amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny 28 – 29 septambra izao, ny « Forum Handicap Emploi », andiany voalohany. Hetsika ahafahan’ireo fikambanan’ny olona manana fahasembanana sy ireo sehatrasa ho an’ny olona manana fahasembanana ary ireo mpampiasa mihaona.
Tanjona ny fanafoanana ny tsy fitoviana eo amin’ny sehatry ny asa ho an’ny olona rehetra. Efa nisy ny ezaka fanentanana ireo orinasa isan-karazany mba hanamora ny fandraisana ireo olona manana fahasembanana ireo, raha toa ka manana ny fahaiza-manao amin’izany izy ireo. Mifandraika amin’ny vinan’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina, amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina ity “forum” ity.
Ny 28 septambra dia hisy ny atrikasa momba ny fahasembanana sy ny tontolon’ny asa izay azon’ny rehetra atrehina. Ny 29 septambra kosa dia fihaonana sy fikaonandohan’ny komity amin’ireo fivondronan’ny mpampiasa, ny sendikàn’ny mpiasa, ny CUA, ny fikambanan’ireo olona manana fahasembanana. Mahakasika ny asa sy ny dingana rehetra tokony harahina indray mandritra ny taona 2024, mba hanovana ny toe-java-misy eto Madagasikara no hatao amin’izany.
Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Mponina sy ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananan’asa ny “Forum Handicap Emploi”. Mikarakara kosa ny komity mpanatanteraka dia ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

Tatiana A

Partager sur: