« Jalsa Salana »: niombom-bavaka ny Miozolomanina Ahmadiyya

Tontosa, ny sabotsy teo, teny amin’ny foiben-toeran’ny Miozolomanina Ahmadiyya Andavamamba, ny fihaonambe fanao isan-taona faha-17 na « Jalsa Salana » 2023. Nisy ny fotoam-pivavahana niarahan’ireo mpino silamo Ahmadiyya rehetra narahina fampianarana sy fanamafisana hatrany ny firahalahiana eo amin’ny samy mpikambana. Araka ny fanazavan’ny misionera, Ahmed Mudassir, ny rafitra ny “Jalsa Salana” dia niorina avy tamin’ny fampanantenan’ilay Mesia, araka ny fahefan’i Allah (Andriananahary). Ny “Jalsa Salana” voalohany, natomboka ny desambra 1891 tany Qadian Inde. Taorian’izay ny mpikambana miozolomanina Ahmadiyya dia samy manao fihaonambe amin’ny firenena misy azy ireo avy. « Ny tanjona fototry ny Jalsa dia ny hisarihana ireo mpikambana mafana fo sy mahatoky hanararaotra haka tombony eo amin’ny lafiny ara-panahy », hoy hatrany ity misionera ity. Eo koa ny hirosoana lalindalina amin’ny fahalalana masina ka hahafahan’izy ireo miroso tsikelikely handray anjara eo amin’ny lalan’Andriananahary. Ny fihaonambe toy izao koa, entina manamafy ny firahalahiana eo amin’ny samy mpikambana. Marihina fa ny fampianarana miozolimanina dia mampianatra ny rehetra hanaja ny zon’ny tsirairay sy ny mpiray tanindrazana. Eo koa ny fijerena manokana ireo kamboty sy mahantra. Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo mariky ny firahalahiana ity fihaonambe ity.

Jean Claude

Partager sur: