INDRAY MIJERY

Vita ny sonia fifanarahana arakasa eo amin’ny Fédération mutuelle de santé Miara-miahy sy ny Fisa Madagascar izay efa nahazo ny fankatoavan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tanjona amin’izany ny hanamafisana ny rafitra fiarovana ara-pahasalamana eny ifotony amin’ny faritra mbola voafetra ny fahazoana izany tolotra izany. Ny Fisa Madagascar no hiantoka ny famatsiana fanafody sy ny tohana teknika ho an’ireo fandaharanasa roa lehibe.

Tontosa tamin’ity herinandro ity ny atrikasa fampahafantarana ny paikady mahakasika ny fandaharam-pibeazana vaovao (PE) ho an’ny talen-tsekoly sy mpampianatra ary tomponandraikitra ao amin’ny kilasy famohazan-tsaina miankina amin’ny fanjakana ato anatin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. Mihatra avy hatrany amin’ity taom-pianarana ity ny fanavaozana ny rafi-panabeazana, ho an’ny sekoly rehetra.

Nitsidika ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena ny delegasionina avy amin’ny UNFPA Mada­gascar, notarihin’ny solontena lefitra. Nohamafisina nandritra izany ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta mahakasika ny fanabeazana ara-pananahana feno eo anivon’ny sekoly (ECS) sy ny fiaraha-miaina mirindra hiadiana amin’ny vohoka an-tsekoly ka hahafahana mitazona ireo ankizivavy ao an-dakilasy.

Partager sur: