Tetikasa Vatsin’ankohonana: Trano falafakely ho lasa trano vifotsy…

Manao fanamby mihitsy ny ankohonan-dRakotonirina Adris, ao amin’ny fokontany Lanivo, kaominina Vohimasy, fa na ho tapitra aza ny tetikasa Vatsin’ankohonana tanterahin’ny Fid, efa tafarina ny fiainana ary hotazomina ny traikefa rehetra hampandrosoana ny hoavy.
“Tao anatin’ny roa taona, tena nihazakazaka ny fiakaran’ ny fari-piainana. Mpandray anjara mavitrika amin’ny Voa­mami izy ireo ka efa hiova trano vifotsy ny trano falafakely alohan’ny faran’ny taona”, hoy Adris, resy lahatra tanteraka.
Rehefa nahazo ny tosika fihariana, nividy akoholahy sy akohovavy 2 ka nampihatra ny fiompiana manara-penitra. Efa an-jatony ireo akoho ary mivarotra izany amin’izao fotoana hanaovana tahiry.
Manana tahiry ho an’ny tetikasa lavitr’ezaka ihany koa izy ireo amin’izao fotoana. Satria, efa tena milamina ny firindran’ny fidiram-bola sy ny fitantanana izany. Nanao ezaka namita ny kopian’ireo zanany 7 mianadahy koa izy mivady rehefa nahazo fahalalana sy nahafantatra ny maha zava-dehibe ny fananana izany kopia izany taorian’ny fampiofanana nentin’ireo mpanentana avy amin’ny Fid.
“Ireo zanaka voatery najanona tamin’ny fianarana teo aloha, efa niverina nianatra avokoa ary afaka bakalorea ilay vavy voalohany, afaka BEPC kosa ny lahy ary nisondrotra kilasy avokoa ireo madinika, hoy Rakotonirina Adris.

Tatiana A

Partager sur: