Miteraka fifanolanana : atsahatra ny fivarotana tanim-panjakana

Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia lasa teo, fa atsahatra tanteraka ny fivarotana na famindrana ny tanim-panjakana natokana “terrain du domaine privé affecté” an’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ireo ivontoeram-pikarohana ary ny IST. Nosinganina ma­nokana ny tany ampiasain’ny Ivontoerana fikarohana mom­ba ny fanafody (Cnarp) eny Ambodivoanjo-Ambohi­jatovo, izay nangatahan’olon-tsotra tao anatin’ny volana maromaro. Voakasika koa ny tanin’ny foibem-pikarohana ampiharina amin’ny fampandrosoana any ambanivohitra (Fofifa) sy ny tany rehetra natokana ho an’ny minisitera sy ny ivontoeram-pikarohana hanatrarany ny andraikitra napetraka taminy. Tsy azo atao koa ny mizara ireo sokajin-tany voalaza ireo, amin’ny mpiasa sy ny mpampianatra eny amin’ny oniversite, an’ ny IST, na koa ny minisitera mpiahy.
Noraisina ny fanapahan-kevitra hiarovana ny tanim-panjakana miteraka fifanolanana na fibodoana ataon’ny olon-tsotra. Tsapa koa fa maro, amin’izao fotoana izao, ny olon-tsotra mangataka hividy ireo tanim-panjakana ireo. Tsiahivina fa nanao hetsika fanoherana ny fangatahan’ny olon-tsotra, ny mpiasan’ny Cnarp sy ny mpikaroka mpa­mpianatra ary ny minisiteran’ny Fampianarana ambony. Mirefy 9 000 m2 tsy no nangatahan’ilay olona, faritra izay ampiasaina hambolena za­vamaniry hanaovana fikarohana ho an’ny fanafody hitsaboana.

Vonjy

Partager sur: