Natao, omaly, teny Alarobia, ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny UNFPA, ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Etamazaoron’ny Tafika ana habakabaka, ny BNGRC ary ny ONG Pivot hanitarana ny fanaterana fanafody amin’ny alalan’ny “drone” ho an’ny faritra dimy.
Tao anatin’ny fito volana nampiasana “drone” hanaterana ny fanafody amin’ny toerana tena saro-dalana. Vehivavy 1,4 tapitrisa no avotra satria nahazo fanafody ara-potoana ho an’ny faritra Androy sy Anosy ary Atsimo Andrefana. Tetikasa andrana no natao niaraka amin’ny Tahirin’ny Firenena mikambana ho an’ny mponina (UNFPA) sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ary tohanan’ny Japonais amin’ny vola. Hitarina amin’ny faritra roa fanampiny, Vatovavy sy Fitovinany, ny asa satria nanahirana ny nitondra fanafody ho an’ny traboina sy ny mponina taorian’ny fandalovan’ny rivodoza tany amin’ireo toerana ireo ka vahaolana mety indrindra ny fampiasana “drone”.
Mpanamory fiaramanidina efatra sy mpanara-maso teknika ny sidina rehetra iray no misalahy manao ny asa, efa nahazo fiofanana avokoa ny tomponandraikitry ny fitehirizam-panafody amin’ireo distrika 13 iasana handray ny fanafody alatsaky ny “drone”. Indroa isan-kerinandro no tonga ny “drone” mandatsaka ny fanafody tsy mihoatra ny 5kg isaky ny sidina. Teo aloha, herinandro vao tonga ny fanafody noho ny lalana ratsy. Ankehitriny, ora vitsy dia eo ampelatanan’ny mpitsinjara fanafody ny tahiry. 100 ny tobim-pahasalamana hisitraka fanafody avy amin’ny alalan’ny drones, manana foibe ao Bekily sy Ifanadiana ary afaka mandrakotra velarana 100 km manodidina. “Rehefa tsy misy ny famatsiana fanafody, mety ho faty ao anatin’ny ora vitsy ny vehivavy miteraka iray noho ny fahaverezan-dra ka zava-dehibe ny fampiasana ity fomba moderina ity”, hoy ny solontenan’ny UNFPA eto amintsika.
Vonjy A.




