CNIDH: “Atsaharo ny herisetra sy ny fihantsiana”

Namoaka fanambarana, manoloana ny toe-draharaham-pirenena, mifandraika amin’ny fiarovana ny zon’olombelona, ny eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny zon’olombelona (CNIDH), omaly. “Aoka atsahatra ny teny sy fihetsika feno fihantsiana ka miteraka fifandonana eo amin’ ny samy mpiray tanindrazana”, hoy izy ireo. Anisan’ny iantefan’ny antso ny fanjakana, olom-boafidy, Andrimpan­jakana, mpanohana sy ny mpikirakira vaovao ary ny tambajotran-tserasera. Melohin’ny CNIDH ny herisetra ary tsy andeferana. Niteraka famotehana fananana sy tranga mampalahelo izany, araka ny fanambarana hatrany.
Notsiahivin’izy ireo fa ilaina ny fitoniana hisian’ny fitsitrahana ny miorina amin’ny fahafahana maneho hevitra, mivory am-pilaminana, mivezivezy an-kalalahana… “Aoka tsy hivaona amin’ny hasin’ny fifankahazoan’ny samy Malagasy izany ka filaminana sy ny fanajana ny fahafahan’ny hafa no fetra”, hoy izy ireo.
Nanterin’ny CNIDH fa tokony hampahafantatra ireo fepetra enti-miaro ireo manoloana ny zava-misy ankehitriny ny fitondram-panjakana. Anisan’izany ny fampahafantarana ireo toerana ahazoana alalana manatanteraka fivoriana politika, am-pilaminana manerana ny Nosy. “Arahana fepetra hiarovana ny olona sy tsy anavahana firehana iza­ny”, hoy izy ireo.

Synèse R. 

Partager sur: