Depiote IRD: “Helohinay ny lahatenin-dRazanamahasoa Christine”

Nanao fanambarana ireo depiote maro anisa miaraka amin’ny tsy miankina, omaly. “Manameloka sy mitsipaka tanteraka ny lahatenin’ny filohan’ny Antenimieram­pi­re­ne­na, Razanamahasoa Chris­tine, tamin’ny fanokafana ny fivoriana, ny talata teo izahay”, hoy izy ireo. Nohitsin’izy ireo fa tsy nifampierana sy tsy nifanekena ny nambarany. Tsy maneho ny hevitry ny depiote maro anisa sy ny Ante­ni­mi­erampirenena sady hevitr’ olon-tokana, araka ny fanambarana hatrany. “Fanakoron­tanana saim-bahoaka no volena ary fikasana ho any amin’ny fizorana amin’ny fitondrana Tetezamita ny ao ambadik’izany…”, hoy izy ireo. Nan­te­rin’ireto depiote ireto fa midika ho tsy fanajana Lalàm­pa­no­renana sy ny lalàna izany ary fanitsakitsahana ny zon’ny vahoaka hifidy ny tiany hitantana ny firenena sy homeny fahefana. Mibaribary ny fitiavan-tena sy seza… Ilaina hajaina ny rafitra ka nahatonga azy ireo nanontany ny filohan’ny Antenimiera ho mankasitraka izany.
Voatsiahy koa fa amin’ny anaran’ny IRD sy ny fitsipika anatin’ny antoko no nahavoafidy an-dRazanamahasoa Chris­­tine ho depiote sy nametraka azy amin’ny toeran’ny filohan’ny Antenimierampi­renena…
Etsy andaniny, helohin’izy ireo koa ny tetika ho amin’ny fanakorontanana ny firenena sy ny tsy hahatanteraka ny fifidianana.

Synèse R.

Partager sur: