Amin’ny fifidianana toy izao, tenenina mandrakariva ny hoe vahoaka tompon’ny teny farany, masi-mandidy, andriamanjaka. Mby aiza? Kibo mitsara tena ny tsirairay. Tena mahalala ny ataony sy izay fanapahan-keviny amin’izany ve? Na hoe avoivoin’ny rivotra fotsiny na manaraka ny onjany… Izay ironan’ny besinimaro no heverina sy ekena ho mety sy marina ary mahasoa sa izay maharesy lahatra ny tena? Zava-dehibe izay faharesen-dahatra izay, tsy ambanin-javatra na ambin-javatra.
Firy amin’ny mpanao politika no tena manome hasina ny vahoaka ka manazava ny marina, izay tokony ho fantatra, ny lalan-kaleha… ? Avy eo, avelao ny vahoaka handinika, hitsara, hanapa-kevitra. Fa tsy hoe izay tsy momba ny tena dia diso na adala, tsy maharaka, ho voa mafy, hanenina… Voataiza sy voajary ho amin’izany ve ny vahoaka? Na hoe misy mpanao politika manao izany ho azy… Fa tsy hoe atao fitaovana politika, sanatria, amin’ny hoe miara-mirona, bemanaiky na betsimiteny…
Tena mahatsiaro tena sy miaina ny hoe tompom-pahefana ve ny tsirairay amin’ny fifidianana toy izao? Mila mampiseho ny fijoroany, ny heviny, ny fahefany… Izay no maha zava-dehibe ny fitaizana politika eny anivon’ny antoko. Mba manana izay ijoroany ny mpikambana, afa-mandresy lahatra ny hafa amina foto-kevitra mazava, vinam-piarahamonina, fandaharanasa… Firy amin’ny mpanao politika no voataizan’ny antoko, manana sy manaja etika politika, tsy mivadibadika, miady tombontsoa … ?
Tsy mahagaga raha misy ny savoritaka politika, raha samy manao izay saim-pantany; eny, na ny eo anivon’ny antoko aza, ohatra. Vao mainka fa ny efa mpifanandrina fiadiana… Aoka re e! Mila fahamatorana fa tsy fahatahorana politika? Na ny mpanao politika, na ny vahoaka…
R. Nd.




