Kandidà Andry Rajoelina: “Miketrika Tetezamita sy ny tsy hisian’ny fifidianana ny mpanohitra”

Nivahiny tamin’ny fahitalavira France24 sy ny RFI, ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina, omaly. Nohitsiny fa mitady ny fomba rehetra tsy ahatanteraka ny fifidianana ireo kandidà sasany.

Nambaran’ny kandidà Rajoelina fa efa miroso amin’ny fifidianana ny firenena, taorian’ny namoahana ny daty sy ny fankatoavan’ny HCC ny filatsahan-kofidin’ireo kandidà. Tsy misy ny mizana tsindrin’ila amin’ny fahafahana maneho hevitra. “Ma­lalaka izany saingy mitady ny fomba rehetra ireo kandidà sasany tsy ho tafavoaka amin’ny fifidianana fa ho resy ka mikendry ny fomba rehetra handehanana amin’ny fitondrana Tetezamita”, hoy izy. No­hitsiny fa manameloka tanteraka ny fampizarazarana ny Malagasy ny tenany. Tsy azo ekena ny fanakorontanana ny firenena. Mitady mpitarika mahay sy mampiray azy ny Malagasy ka tsy ilaina intsony ny savorovoro, araka ny nambarany.
Momba ny fizakany ny zom-pirenena vahiny kosa, notsiahiviny fa efa nifarana iny adihevitra iny. Tsy misy didy milaza ny amin’ny fahaverezan’ny zom-pirenena malagasy raha naka an-tsitrapo ny zom-pirenena frantsay ny tenany. Nanteriny fa hanamorana ny fianaran-janany any ivelany ny nakany izany, saingy tsy manova ny fitiavan-tanindrazana.
Etsy andaniny, fandaminana anatin’ny antoko ary tsy tokony hidiran’ny hafa ny nanesorana an-dRazafimahefa Herimanana tsy ho filohan’ny Antenimierandoholona.
Ankoatra izany, niaiky ny tenany fa mampiasa na mbola anatin’ny andrana aza ilay rindrambaiko “Predator” ny fanjakana. “Natao iadiana amin’ny kolikoly sy ny asan-jiolahy na fakana an-keriny izany fitaovana izany. Efa fampiasan’ireo firenen-kafa koa izany hiarovana ny firenena manoloana ny mety ho fanakorontanana avy any ivelany na koa avy ao anatiny”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: