Samy nanao hetsika avokoa ny tany amin’ny faritra, omaly. Anisan’ny nahavory vahoaka marobe ny tao Imerintsiatosika. Diabe namakivaky tanàna, nentanin’ireo mpanakanto sy mpanao politika any an-toerana no nataon’izy ireo tamin’izany. Nitondra sorabaventy maneho ny fitakiana izy ireo. Anisan’izany ny fandravana ny Ceni sy ny HCC, ny fifidianana madio sy eken’ny rehetra, ny tsy fanekena ny fitondran’ny vazaha… Hitohy ny zoma izao any Arivonimamo ny hetsika any amin’iny faritra Itasy iny.
Tahaka izany koa ny tao Antsirabe. Niainga teny Antanimenakely ny filaharambe nataon’ireo mpiandany amin’ireo kandidà 11 any an-toerana. Narahin’ny fanentanana sy kabary samihafa. Nanohy ny hetsika tahaka izany koa ny tao an-drenivohitr’i Boeny. Nilanja ny sainam-pirenena sy niakanjo fotsy, marika famantarana ny hetsik’ireo kandidà 11 ny tao Mahajanga.
Samy nizotra am-pilaminana avokoa ireo hetsika any amin’ny faritra ireo ary tsy nisehoana sakantsakana.
Synèse R.




