Nilatsaka ary nampiharina, nanomboka omaly, ny fepetra noraisin’ny minisiteran’ny Atitany, nampitaina amin’ny prefektioran’Antananarivo. Nohamafisin’ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo amin’ny fanomezana toerana na kianja izany.
Nivoitra tamin’izany ny fandaminana ny famoriam-bahoaka sy ny hetsika ho an’ny fampielezan-kevitra. Nandraisana fepetra izany ka eo ny tsy maintsy hanaovana fangatahana alalalana ho an’ireo hanao hetsika, ivelan’ny propagandy. Niaiky ny tenany fa tsy voafehy intsony ny zava-miseho eny an-kianja. Ahiana ho tonga amin’ny ady an-trano ka anton’izao fanapahan-kevitra izao. Anisan’izany ny fahazoana mampiasa kianja malalaka, mifefy ho an’ireo hanao hetsika tsy anatin’ny fampielezan-kevitra, araka ny nambaran’ny Prefet, ny Jly Ravelonarivo Angelo, tetsy Tsimbazaza, omaly. Noferana ho tsy maintsy anaty efitrano izany raha ny fepetra nampiharina teo aloha.
Momba ny hetsika tafiditra ao anatin’ny fampielezan-kevitra kosa, tsy maintsy mampahafantatra 48 ora mialoha ny hanatontosana izany ireo kandidà tsirairay. “Tsy tokony hisy ny fivorivoriana eny an-dalambe mba hampizotra am-pilaminana ny fifamoivoizana”, hoy ny fanambarana.
Toerana avy amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra
Voalaza ho anton’izao fandraisana fanapahan-kevitra izao ny tranga niseho ny talata teo, teny Andavamamba. “Nisy olona iray maty sy naratra maro izany”, hoy ihany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany sy ny prefektiora.
Efa nofaritana avy hatrany koa ny toerana ahafahana maneho hevitra sy tsy manohintohina ny filaminam-bahoaka, manomboka izao, iarahana amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Samy ahitana kianja sy toerana afahana manao propagandy avokoa ny ankamaroan’ireo fokontany eny anivon’ny boriborintany enina.
Synèse R.




