Fitsaram-bahoaka tao Ankazobe: mifanenjana ny mpitsara sy ny depiote Rajerison Antoine

Tranga miteraka disadisam-piarahamonina ao Ankazobe ny figadran’ny ben’ny Tanànan’i Marondry. Nampangaina ho nanamora ny fitsaram-bahoaka izy. Miaro azy ny depiote, mandetika ny fitsarana.

“Tsy mbola nisy fanatonana na fanontaniana na­taon’ny depiote fa tonga dia fanaratsiana sy fanimbana ny saim-bahaoka avy hatrany tany amin’ny tambajotran-tserasera no niseho”. Io ny fanazavan’ny mpisolo Tonia mpa­m­panoa lalàna, Rakotoarima­lala Manjaka, fitsarana ambaratonga voalohany, Ankazobe. Nentiny namaliana ny fanara­tsiana sy ny fanasoketana ny fitsarana nataon’ny depiote Rajerison Antoine izany. Fam­pitam-baovaon’ny minisiteran’ ny Fitsarana, omaly, no nanamarina izany. “Malalaka ny varavaran’ny fitsarana, raha misy olona manana fa­non­ta­niana momba ny raharaha iray, indrindra raha misy fanamarihana tiana horaketina an-tsoratra”, hoy ny mpitsara. Natao hampiharana ny tarigetran’ny fitsarana izany: manakaiky vahoaka, tsy mitanila, tsy mijery tavan’olona na inona toerana na andraikitry ny olona iray.
Raha tsiahivina, nisy trangana fitsaram-bahoaka tao amin’ny kaominina Marondry, ny 5 janoary 2026, nahafatesana tovolahy iray ahiahina ho nanao fanolanana. Nanokatra fanadihadiana ny fampanoavana. Taorian’izay, nalefa teo anivon’ny mpitsara mpanao famotorana ny raharaha, notanana vonjimaika am-ponja ny ben’ny Tanàna. Raha jerena ny antontan-taratasin’ady, voa­marin’ny fijoroana vavolombelona maro ary nohamafisin’ny voampanga koa fa tsy nisy fi­takiana fitsaram-bahoaka teny an-toerana. Ramatoa ben’ny Tanàna no namoaka ilay tovolahy tao amin’ny biraon’ny kao­minina ary natolony ny fokonolona mba hatao fitsaram-ba­hoaka, narahin’ny fitenenana: “Vonoi­na izy. Tsy vo­noina eto amin’ny faritry ny kao­minina, fa entina somary lavidavitra”.
Tsy izay hita eny amin’ny tambajotran-tserasera fa izay voarakitry ny antontan-taratasin’ady ihany no andraisan’ny fitsarana fanapahan-kevitra hitanana vonjimaika any am-ponja na tsia ny voampanga iray.

R. Nd.

Partager sur: