Fihoaram-pefy amin’ny fifidianana: mitaky sazy hentitra sy mazava ny MMM

Nandray anjara tamin’ny fakan-kevitra momba ny fitantanana ny raharaham-pifidianana eto Madagasikara ny antoko MMM (Malagasy miara-miainga). Anisan’ny ni­voitra tamin’izany ny tsy faneken’ity antoko ity ny fihoaram-pefy amin’ny fifidianana, ka mitaky sazy hentitra ny MMM ho an’ izay manao izany. Ho azy ireo, zava-dehibe ny fisian’izao fi­fampidinihana izao. Efa ela ny antoko no naneho ny fahavononany handray anjara amin’ ny fanatsarana ny rafi-pifidianana. Tsy tokony hijanona amin’ny fanitsiana ara-teknika fotsiny anefa izany, fa hitarika amin’ny fanavaozana tena izy, izay hametraka rafitra mazava, mangarahara ary hahafahan’ ny olom-pirenena matoky bebe kokoa ny fifidianana.
Tao anatin’izany, natolotry ny MMM tamin’ny fomba ofisialy ho an’ny fitondrana Fana­vaozana, ny Ceni ary ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena ireo antontan-kevitra sy sosokevitra efa nodinihin’ny antoko nandritra ny fotoana ela.

Anisan’ny natolotra tamin’ izany ny tolokevi-dalàna fehizoro mialoha momba ny rafitra ankapobeny amin’ny fifidia­nana sy ny fitsapankevi-ba­hoaka. Teo ihany koa ny tolokevi-dalàna mialoha momba ny satan’ny Ceni.
Ankoatra ny fanatsarana ny fomba fitantanana ny fifidianana, mihevitra ihany koa ny MMM fa mila jerena mia­raka amin’izany ny lafiny hafa mifandray amin’ny maha olom-pirenena sy ny fahafahana mirotsaka hofidina.

Mi.Raz

Partager sur: