Nivoaka amin’ny fahanginany ny Fikambanana ifanampian’ny terak’i Vakinankaratra (Fiteva). “Manainga am-panajana ireo mpanao politika izahay hiresaka sy hifanakalo hevitra mba hikatsahana ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka. Tratra farany hatrany ny vahoaka noho ny adilahy”, hoy izy ireo tetsy Tsimbazaza, omaly. Niantso ny zanak’iny faritra iny ny Fiteva tsy ho tafiditra amin’ny vela-pandriky ny fizarazarana sy ny ady an-trano fa hitandro mandrakariva ny fihavanana sy ny firaisan-kina. Nahatsapa izy ireo fa misavorovoro ny rehetra noho ny fifandroritana politika mety hiteraka ny fifamonoan’ny samy Malagasy ka anton’izao antso avo ataon’ny Fiteva izao.
Hanarenana ny fiaraha-monina sy ny firenena
Eo koa ny fanaingana ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena mba tsy hitazam-potsiny fa ho saro-piaro ka hijoro sy handray andraikitra amin’ny tandrify azy. “Aoka isika handray an-tanana ny fanarenana ny fiarahamonina sy ny firenena… Hiray hina isika rehetra hitandro mandrakariva ny fihavanana sy ny fifankatiavana”, hoy izy ireo. Niantso ny tsy hisarahantsarahana na hanaiky ampiadiana noho ny resaka politika ny Fiteva. Tsy maintsy hiroso amin’ny fifidianana isika ka aoka ho tony sy ho saro-piaro amin’ny fiarovana ny safidy sy ny fiandrianam-pirenena, araka ny nambaran’izy ireo hatrany.
Synèse R.




