Collectif des travailleurs : mitaky ny fampanjakana ny tany tan-dalàna

«Tany tan-dalàna i Madagasikara ka tsy ho ekenay ny fampanjakana ny tsy ara-dalàna eto amin’ny firenena”. Io ny fehinkevitra navoakan’ireo vondron’ny mpiasa nivondrona tetsy Antaninarenina, omaly. «Tsy hanambara ny fomba fiady izy ireo fa miorina isaky ny sehatr’asa sy ny minisitera ny fifampidinihana hanatrarana ny tanjona», hoy Rakotondrahaova Didier, mpitondra tenin’ny vondron’ny mpiasa malagasy. Mbola miantso ny mpanao politika rehetra mba hiroso amin’ny fifampidinihana izy ireo. «Hampiseho ny herinay izahay», hoy izy ireo. Tsy ny mpiasam-pianjakana irery no miteny, fa ireo olom-pirenena rehetra manana asa. Nilaza izy ireo fa hanampy ny fivorian’ny mpiasam-panjakana sy ny sendikàn’ny mpiasa ary ireo mpiasa maro izy ireo anio. Nohitsin’ny mpitondra teny fa politika no ataon’izy ireo ary ho fanavotana ny firenena.

Mino

Partager sur: