Manatanteraka ny fifidianana ny eo anivon’ny Filankevitra ambony ho an’ny mpitsara (CSM). Anisan’ny nanatanteraka izany ny ao amin’ny faritanin’i Toamasina.
Nizotra ara-dalàna ny fifidianana ho an’ ny fari-piadidian’ny fitsarana ambony Toamasina. Ahitana rantsam-pitsarana miisa fito any an-toerana ka anisan’izany ny fitsarana ambaratonga voalohany Ambatondrazaka, Moramanga, Vatomandry, Toamasina, Fenoarivo Atsinanana, Maroantsetra ary Ste Marie. Miisa 60 ireo mpitsara anatin’ny faritanin’i Toamasina andrasana handatsa-bato, hisafidy ny ho solontenan’ izy ireo eo anivon’ ny CSM, natao, omaly. Miisa telo ny kandidà nilatsaka hofidin’ireo mpitsara hifaninana amin’ny toerana iray. Eo ny mpitsara, Randrianjarasoa Jhonson, tonian’ny fitsarana ambaratonga voalohany Ambatondrazaka, ny mpitsara, Vahiny Yve Sandro, tonian’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina ary Andriafanomezantsoa Lovatiana Alain, mpitsara mpanao fanadihadiana lalina anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina. Tombanana ho ny talata vao hisy ny fanisam-bato noho ny fiandrasana ireo vata fandatsaham-bato sy ny tatitra isaky ny fari-pifidianana miisa fito.
Nindaosin’ny fahafatesana tampoka
Etsy andaniny, misaona ny totolon’ny fitsarana Toamasina. Nindaosin’ny fahafatesana tampoka, teo amin’ny faha 74 taonany, ny mpitsara, Randriamanantena Jules. Efa tonian’ny fampanoavana ambony voalohany teto Toamasina, ny taona 2002. Safotra tampoka ary nitambotsotra izy nandritra ny fijerena baolina tany Andilamena, nandritra ny “Festival”, nokarakarainy ihany. Olon’ny fanatanjahatena ary tompon-kevitra tamin’ny fananganana ekipa ho an’ny mpitsara teto Toamasina ity mpitsara zokiolona efa nisotro ronono ity.
Sajo sy i Synèse R.




