Kandidà Andry Rajoelina : “Tsy azo ekena ny fanakorontanana”

Nanomboka ny tafa hataony isan-kariva, ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry, omaly. Hentitra ny nambarany manoloana ny raharaham-pirenena. 

Nambarany fa tsy hisy fampandrosoana mirindra eto raha mbola misy ny fanakorontanana. “Hanimba ny firenena izany ka tsy azo ekena ny fanakorontanana… Efa betsaka ny vitantsika ka aoka ny tombontsoan’ny maro anisa no katsahina”, hoy izy. Nanteriny fa tokony hapetraka ny soatoavina sy ny fifanajana. Anisan’izany ny fanajana ny rafi-panjakana. Eo koa ny tsy fanekena ny fampidiran’ireo kandidà sasany ny fihantsiana, ny fanambaniana ny hafa, fanompana sy ny fanarabiana. Ny fikasihan-tanana… “Tsy azo ekena ny fampiasana herisetra… Tsy mety ho an’ny mpitarika ny fanavahana saranga , fiaviana, finoana… Mamoafady izany ka atsaharo. Ny mampiray no ilaina fa tsy ny fanavahana”, hoy izy. Nohitsiny fa voarara, araka ny lalàna, izany ary nomelohiny koa.
Ankoatra izany, notsindriny fa misy ny tetiky ny kandidà sasany hisakana ny tsy handehanana any amin’ny fifidianana. Ny maro anisa ihany no masi-mandidy ary efa voafaritry ny lalàna izany, araka ny nambarany hatrany. “Eo ireo misakana sy manakorontana tsy handehanana amin’ny fifidianana. Efa fantatra ny tetika raha vao nametra-pialana ny tenako… Fitakiana tsy mifanaraka amin’ny lalàna… “, hoy izy.
Nampanantena ny tenany fa hijery sy hanakaiky kokoa ireo marefo sy ny sahirana ny tenany, amin’ny fe-potoam-piasana manaraka eo. Hiompana kokoa amin’ny sosialim-bahoaka izany.
Tsiahivina fa hampitan’ny kandidà Rajoelina Andry ny vaovao rehetra sy hizarany ny dingana hatao ny tafa amin’ny vahoaka, tahaka izao.

Synèse R.

Partager sur: