Hetsiky ny kandidà 11: tsy nanao sonia ny fifanarahana i Siteny R.

Notanterahina teny amin’ny Coliseum Antsonjombe, ny « Concert Fotsy », nokarakarain’ny kandidà 11, niarahana tamin’ireo Malagasy mpihira, maro samihafa. Tonga nanatrika izany ireo mpanohana sy mpiara-dia ireto kandidà ireto. Nandritra izany, nisy ny fanaovan-tsonia ny fifanarahan’izy ireo amin’ny tsy hanatanterahana ny fifidianana. Tsy na­nao sonia izany Randriana­soloniaiko Siteny fa nisafidy ny hanao fampielezan-kevitra, nanomboka omaly tany Vohé­mar. “Vonona ny hifaninana amin’ny kandidà Rajoelina Andry aho”, hoy izy.
Na teo aza anefa izany, namaly ny antson’ireo kandida 11 ireo mpanohana sy mpiara-dia amin’izy ireo, nandritra ny hetsika “Concert Fotsy”. Tsy nisy ny diabe, izay nokasaina hatao miainga amin’ny toerana maro mihazo ny Coliseum Antsonjombe fa samy nanao izay nahatongavany teny an-toerana ireo mpanohana. Ta­min’ny 12 ora atoandro no ora voatondro hanombohan’ny he­tsika. Fampisehoana sy fanentanana no hita teny an-tsehatra tamin’io fotoana voatondro io. Minitra maromaro taorian’izay kosa vao niatrana teny an-toerana ireo kandidà 11.

Randria

Partager sur: