Rabetsaroana Sylvain : “Hiteraka fitoniana ny firosoana amin’ny fifidianana”

Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny mpanao politika, Rabetsaroana Sylvain. Anisan’ny nambarany tamin’izany fa tsy azo ihodivirana intsony ny hirosoana amin’ny fifidianana, ny 16 novambra izao.

Nizara ny heviny amin’ny raharaham-pirenena ny mpanao politika, Rabe­tsa­roana Sylvain. Notsiahiviny fa efa nandoa ny anto-bola teny amin’ny HCC ka mpifaninana ofisialy ireo kandidà 13. Nahazo ny laharana anaty biletà tokana teny amin’ny Ceni. Mbola nanasonia ny fitsipi-pitondran-tenan’ny mpanao politika, niarahana tamin’ny FES. “Midika ho tsy fahamatorana ny fihetsik’ireo kandidà sasany. Tsy azo ekena velively, noho izany, ny fitakian’izy ireo”, hoy ity senatera teo aloha ity. Anisan’izany ny fi­ka­san’izy ireo handrava ny HCC sy ny Ceni ary koa ny governemanta ifarimbonana, mitantana vonjimaika ny firenena. Nahitsy ny filazany fa fikendrena tsotra izao ho amin’ny fanakorontanana ny tsy hirosoana amin’ny fifidianana . “Fiketrehana fitondrana Tete­zamita hahazoana seza”, hoy hatrany izy.

Nivadika amin’ny sonia

Notsindriny fa efa tafiditra amin’ny fahaiza-mitondra tena niarahana amin’ny FES ny fametrahana fitoniana sy filaminana, mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. Tsy mizotra ho amin’izany anefa ny hetsiky ny Vondron’ny kandidà 11. “Nivadika amin’ny sonia nataony sy tsy mitana ny teny nomeny… Mangina koa anefa ny FES ao anatin’izany”, hoy Rabetsaroana Sylvain.
Nambarany fa tsy mahasolontena an’ i Madagasikara ny eto Antananarivo. Tokony hidina any amin’ny faritra ny sehatra iraisam-pirenena hijery ny zava-misy. Efa mirona am-pitoniana any amin’ny fifidianana, ny 16 novambra izao ny vahoaka. “Efa miroso ny fifidianana na handray anjara na tsia ny kandidà sasany”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: