Kandidà Andry Rajoelina : “Hampiakarintsika ny fari-piainan’ny vahoaka”

Nitohy teny Atsimondrano ny fampielezan-kevitry ny kandidà Andry Rajoelina, omaly. Nambarany tamin’izany ny fampanantenana ho amin’ny fe-potoam-piasana manaraka.

“Tsy hisy intsony ny ho hadino. Hampiaka­rina ny fari-piainan’ny vahoaka ary hampitomboina ny fidiram-bola. Hojerena akaiky ny tsy an’asa sy ireo marefo ary ho tonga isan-tokantrano ny fanampiana”, hoy izy teny Itaosy.

Nambarany fa anisan’ny mampiavaka ny eny “Itaosy-Unis” amin’ny hafa ny fitiavany an’i Andry Rajoelina sy ny fanohanana amin’ny fo ma­nontolo… Hain’Itaosy ny olona tia tanindrazana sy ny hanavotra an’i Madagasikara, araka ny nambarany. No­tsindriny fa vao mainka mafy azy ireo fanaratsiana samihafa…”Tsy hanenjika sy hanara­tsy olona isika fa kosa maneho ny fitiavana ny vahoaka sy ny firenena. Resentsika amin’ ny asa ny fanaratsiana ary antony nanasoavana ny va­hoaka izany”, hoy ihany izy. Nanteriny fa maro ireo mpitondra nifandimby saingy tsy nanao ho laharam-pahamehana ny fanabeazana sy ny fampianarana izy ireny. “Miasa ho an’ny vahoaka isika. Efa na­nao asa manakaiky vahoaka sy fotodrafitrasa eny ifotony”, hoy izy.
Tetikasa “Fly over”
Natsidiny koa ny hanombohan’ny tetikasa “Fly over” hamahana olana ny fitoha­nan’ny fifamoivoizana eny amin’iny Atsimondrano iny. Efa vita ny tolo-bidy amin’ny hanaovana ny asa. Nentaniny ny vahoakan’Atsimondrano avy eo “… Ampio aho ahafahako manampy sy manatanteraka ireo fotodrafitrasa marobe ireo… Lalan-tokana ahatongavana amin’izany ny andro iray anaty minitra vitsy ny 16 novambra izao. Ho tonga marobe isika liana ho amin’ny fampandrosoana ka hifidy ny kandidà laharana fahatelo. Ho voalohany amin’izany ny ety Itaosy. Mino sy matoky fa ho mpandresy isika…”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: