Ho an’izay mbola misalasala? “Tsy maintsy hisy ny fifidianana, ary ara-demokratika no hanatanterahana an’izany”, hoy ny mpanolotsaina eo anivon’ny birao maharitry ny Ceni sady mpiahy ny faritan’i Toamasina amin’ny fanatanterahana fifidianana, Ravalitera Jacques Michaël, tany Toamasina, afakomaly, ny amin’ ny fanofanana ireo rantsamangaikan’ny Ceni amin’ny fitantanana ny birao fandatsaham-bato. Efa vonona ny Ceni amin’ny fanatanterahana ny fifidianana filohan’ny Repoblika amin’ny 16 novambra.
Nisaorany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, nanao tantsoroka tamin’ny fanofanana. Manentana hatrany ny olom-pirenena mba samy handray andraikitra tandrify azy avy izy. Tsy tokony hiandry ny mpanao politika na ny fiarahamonina sivily ny olom-pirenena amin’izany, fa izy no tokony hanara-maso ny fifidianana. “Handroso i Madagasikara, raha samy mandray andraikitra ny tsirairay”, hoy izy.
Nisaorany ihany koa ny eo anivon’ny tokantrano tsirairay avy. Tsy tontosa ny fizarana ny karatry ny mpifidy sy ny fanofanana ny rantsamangaikan’ny Ceni, raha tsy teo ireo mpikambana eo anivon’ny Vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy (CLRE) isam-pokontany. Teo koa ireo lehiben’ny fokontany. Tsapa fa vonona amin’ny fiatrehana sy fanatanterahana ny fifidianana ny rehetra, araka ny nambarany.
R. Nd.




