Manao tohivakana ireo fikambanana mirotsaka manohana ny kandidà laharana fahatelo. Araka ny nambaran’izy ireo, maro ireo vokatsoa azony nandritra ny fitondran’ity kandidà ity ary irarina ny mbola hitohizan’izany.
Amin’izao vanim-potoan’ny fifidianana izao. Maro ireo fikambanana no resy lahatra ka mirotsaka manohana ny kandidà laharana fahatelo. Ankoatra ireo efa mivondrona manohana ity farany, anisan’ny nirotsaka ihany koa ny Fikambanana Mandresy (Fima), ivondronan’ireo mpivarotra etsy amin’ny tsena vaovao Anosikely. Eo ihany koa ny Manjaka Vintana Béton Armé (MVBA).
«Tena nampivoatra ny fiainanay mpivarotra ny fiaraha-miasa», hoy Razafindravao Pascaline, filohan’ny Fima. Nanambaran’ireto mpivarotra ireto fa maro ny tetikasa niarahan’ny fitondram-panjakana, notarihin-dRajoelina Andry sy ny kaominina Antananarivo renivohitra, tarihin’Andriantsitohaina Naina, nanao izay nitera-bokatsoa sy nampivoatra ny fiainan’izy ireo. Anisan’izany ny fananganana tsena vaovao sy manara-penitra. Teo ihany koa ny firosoana amin’ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra. Niteraka asa milamina sy mirindra ny fahatanterahan’izany tetikasa izany. “Betsaka no efa nitondra teto fa noho ny fiaraha-miasan’ny filoha teo aloha sy ny ben’ny Tanàna dia hitanay fa tena maniry hampivoatra ny fari-piainanay mpivarotra izy ireo”, hoy hatrany Razafindravao Pascaline.
Niray feo tamin’ny Fima ihany koa ny MVBA ny amin’ny fankasitrahana sy fanohanana ny kandidà laharana fahatelo mba hitohizan’ny fanorenana fotodrafitrasa mampivoatra ny olompirenena sy i Madagasikara.
“Ny fifidianana ihany no hitsaranay anareo mpanao politika”
Manohitra tanteraka ny fitokonana sy ny fidinana an-dalambe izay manohintohina ny asa fiveloman’ireo madinika. “Tena hitotongana sy ho potika ny fari-piainanay madinika nefa ry zareo mpitarika ireo efa hitafa milamina sy manan-katao, raha mitohy izao fidinana an-dalambe izao”, hoy ny mpitarika ny Fima. Etsy ankilan’izay, nilaza ihany koa avy amin’ny MVBA fa famonoana firenena ny fampikatsoana ny raharaham-panjakana.
Lin




