Nanatona teny amin’ny “Brigade territoriale de la ville Antananarivo”, eny Betongolo ny kandidà laharana faharoa, Andrianainarivelo Hajo, sy ny mpisolovava azy, omaly. Nangataka ny tohin’ny fanadihadiana momba ny fitoriany tamin’ny fanimbana ny fananana teny Andavamamba sy Isotry, nandritra ny hetsiky ny kandidà, ny tenany tamin’izany. Nanteriny fa efa napetraka andro maromaro teny anivon’ny zandary izany fitoriana izany, saingy tsy nisy tohiny. “Isika tsy hanaiky amin’ny fitanilana ataon’ny mpitandro filaminana sy ny manampahefana manoloana ny tranga misy ankehitriny. Koa mangataka ny handraisana fepetra manoloana ny fihetsiky ny zandary sasany ao anatin’izao raharaha izao izahay”, hoy izy. Ilaina ny fahasahiana mijoro ary mitaky ny fahamarinana sy ny fampanarahan-dalàna, efa hita fa lesoka eto amin’ny firenena, araka ny nambarany hatrany.
Nohitsiny fa hanara-maso akaiky ny momba ity fitoriana ity ny kandidà laharana faharoa mba hanaporofoana fa manao ny asany araka ny tokony ho izy ireo manampahefana manoloana ny zava-misy ankehitriny, araka ny nambarany.
Synèse R.




