Fifidianana filoham-pirenena: «Kandidà tanora no vahaolana», hoy ny FIF

Amin’izao fotoan’ny fampielezan-kevitra izao, vonona hanohana ny kandidà laharana fahatelo ny Firaisan-kinan’Iarivo ho an’ny fampandrosoana (FIF).

Ny 16 novambra ho avy izao, hotanterahina eto Ma­dagasikara ny fifidianana izay ho filoham-pirenena.“Kandidà tanora no vahaolana” hoy ny ny Firaisan-kinan’Iarivo ho an’ny fampandrosoana, miaraka amin’ny ben’ny Tanàna na ny FIF. Izay ivondronan’ny boriborintany enina eto Antananarivo. Araka izany, manohana ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry Nirina, filoha teo aloha, izy ireo.
Raha ny fanazavana na­taon-dRabenatoandro Frede­ric, mpikambana ao amin’ny biraon’ny FIF. Mbola ao anatin’ny herijika tanteraka ny kandidà an’izy ireo ka afaka manatanteraka ny fampanantenany tsara amin’ny fe-potoana hiasana manaraka. No­marihiny ihany koa fa miaina ny fampandrosoana sy ny fivoaran’Antananarivo ny rehetra noho ny fiaraha-miasan’ity kandidà ity sy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo renivohitra, Andriantsitohaina Naina.
Maro ny fotodrafitrasa efa mijoro sy ampiasain’ny mponina eto an-drenivohitra amin’
izao fotoana izao saingy mbola betsaka ny vina sy ny tetikasa tokony hatao.
Araka izany, manentana ny vahoaka hifidy ny kandidà Rajoelina Andry Nirina ny FIF. Manoloana ny zava-misy amin’izao fotoana. Manao antso avo amin’ny Malagasy rehetra ity fikambanana ity mba hiandry ny fifidianana am-pitoniana ary tsy hanaiky ny fisian’ny fanakorontanana satria ny fifidianana ihany no lalan-tokana ahafahana mampandroso ny firenena.

Fitia Randria

Partager sur: