Notanterahina teny amin’ny Coliseum Antsonjombe, ny sabotsy lasa teo, ny «Concert Fotsy», izay nokarakarain’ireo kandidà 10. Tapaka tamin’io fotoana io, fa hamaky ny kianjan’ny 13 mai Analakely indray izy ireo, manomboka amin’ity herinandro ity. Tsy manaiky ny firotsahan’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, no tena anton’izany.
“Hampiakatra ny maripanan’ny tolona isika ary hofaranana amin’ity herinandro ity izany” hoy ny solombavambahoaka, Razarapiera Fidèle. Samy niombon-kevitra ny hanatanterahina izany avokoa ireo kandidà mpanohitra. Raha ny filazan’izy ireo, tsy hisy ny diabe androany fa hatao manomboka rahampitso izany.
Misy ny taratasy izay halefan’izy ireo any amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena anio. Tsiahivina fa ny Prefet an’Antananarivo Renivohitra, efa nanambara fa tsy azo atao ny maneho hevitra eo amin’ny kianjan’ny 13 mai amin’izao vanim-potoanan’ny fifidianana izao.
Tsara ihany ny mampahafantatra fa tsy nahafeno ny kianjan’ny Coliseum ity hetsika ity na teo aza ireo artista toa an-dry Mahaleo, Mijah, Princio,…. Ankoatra izay, mitohy sy mizotra tsara ny fampielezan-kevitra ataon’ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry. Ity kandidà ity, miezaka ny mandresy lahatra ny vahoaka hiandry am-pitoniana ny fifidianana.
Randria




